"Ary hoy ny rafozan’i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao." - Eks. 18:17,18.
Mofon’aina:
Rehefa manao izay azontsika rehetra isika mba hahasalama antsika dia afakamanampo vokatra voatahy, ary afaka mangataka am-pinoana amin'Andriamanitra mba hitahiany ny fiezahantsika hitandro ny fahasalamantsika. Hovaliany ny vavaka ataontsika raha manome voninahitra ny Anarany. Kanefa tokony ho takatry ny tsirairay fa misy asa ankinina aminy.
Andriamanitra dia tsy hanao fahagagana hiarovana ny fahasalaman'ny olona izay manana fitondrantena azo antoka fa hitondra azy ho amin'ny tsi-fahasalamana. — CDF 26.
Ny fampiharana amin'ny tenantsika antsakany sy andavany ny lalàn' Andriamanitra dia hitondra fahasalamana. (...) — CDF, 20. (...)
Atsaharo ny fanaranam-po amin'ny filan-dratsy, mihinàna sakafo tsotra, aoka ho ara-pahasalamana ny fomba fitafy; izany dia mitaky fahatsorana ombam-panetren-tena. Aoka ho ara-pahasalamana ny fomba fiasa, dia tsy ho tratry ny aretina ianareo (..) Maro ireo mizaka ny voka-dratsin'ny fandikan-dalàna nataon'ny ray aman-dreniny. (...). Na izany aza dia adidin'izy ireo ny (...) tsy hamerina ny fandikana ny lalan'ny fahasalamana ni sy ny fahazaran-dratsin'ireo ray aman-dreniny, fa hanana fahazarana tsara kosa, mifanaraka amin’izay ilain’ny fahasalamana. HR, Aogôsitra 1866
Rehefa miasa amim-pirindrana ny hery rehetra amin'ny vatana, dia mitondra fahasambarana. Arakaraka ny mampadio sy maha-ambony ny hery ananana no ahatsapana fahasambarana madio sy tsy miharoharo zavatra. (...) Ny saina dia tokony hifantoka amina lohahevitra mifandraika amin'izay zavatra mitondra voka-tsoa mandrakizay ho antsika. (...) — RH, 29 Jolay 1884.
Andriamanitra dia nanao fanekena hihazona ny fahasalaman'ny olona izay hihazona ny fahasalaman'ny olona izay vonona hankatò ny lalàny sy hiara-miasa Aminy. - CDF, 17.
Nanankinan'Andriamanitra hafatra momba ny fanavaozana ara-pahasalamana ny vahoakany. Nitsilo ny dian'izy ireo nandritra ny taona maro izany fahazavana izany; ary tsy azon' Andriamanitra atao ny hanohana ny mpanompony hizotra amin'ny lalana izay mifanohitra amin'izany. (...) Izay mitady hanao tsinontsinona io fahazavana nomen'Andriamanitra momba fanavaozana ara-pahasalamana io dia tsy maintsy hiharam-pahavoazana; ary tsy misy olombelona afaka hahomby amin'ny asan'Andriamanitra kanefa mifanohitra amin'ny fahazavana nomen'Andriamanitra ny fampianarany sy ny ohatra asehony. - CDF, 38