Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampivelatra ny saina sy ny toetra

Daty
Sabotsy 25 October 2025

"Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan 'ny tanany." - Isa. 65:21,22.

Mofon’aina:
Ankehitriny, toy ny tamin'ny andron'ny Zanak'Isiraely, - dia tokony hampianarina ny adidy amin'ny fiainana andavanandro ny tanora tsirairay. Tokony hahay asa tanana izy ireo, izay azony atao asa fivelomana raha ilaina izany. Zava-dehibe izany, tsy ho amin'ny fiarovana amin'ny fitaoman-dratsy fotsiny fa noho ny voka-tsoa entiny koa eo amin'ny fivelarana ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahy.

Na dia misy aza ireo mahazo antoka fa tsy hilainy na oviana na oviana ny hanao asa tanana ho fidiram-bolany, dia mila ampianarina hiasa izy ireo. Tsy hanana vatana tomady sy fahasalamana matanjaka mihitsy ny olona izay tsy manao asa ara-batana; ary ilaina toy izany koa ny asa voarindra tsara, ho fanatanjahana sy fanavitrihana ny saina, ary ho famolavolana toetra mendrika.

Ny mpianatra izay nanovo fahalalana anaty boky fotsiny fa tsy tamin'ny alalan'ny asa dia tsy afaka milaza ho nandray fanabeazana tsara. Natao tsirambina ny fampiasana ny hery izay tokony ho natokana ho amin'ny sehatra samihafa. Tsy ny fampiasana saina ihany no atao hoe fanabeazana. Lafiny lehibe amin'ny fanabeazana ny tanora ny asa ara-batana. (...)

Tokony hanokana fotoana hampiasana vatana isan'andro ny mpianatra tsirairay. Ny fanaovana izany dia mamorona fahazarana miasa ary mandrisika ny toe-tsain' ny fahaleovan-tena, sady miaro ny tanora amin'ny fomba ratsy maro sy manimba izay matetika vokatry ny fidonanaham-poana. Toy izany no hanatrarana ny tanjona voalohan'ny fanabeazana; satria rehefa ampirisihina ny asa, ny fahavitrihana sy ny fahadiovana, dia mirindra amin'ny Mpahary ny fiainan'ny olona (...)

Manjary mora ny fanarahana ireo fitsipiky ny fiainana miasa izay azo amin'ny alalan'ny fampiasam-batana ampiarahina amin'ny fampiasan-tsaina, rehefa takatsika fa izany dia manomana ny saintsika sy ny tenantsika hanatanteraka ny asa voatendrin' Andriamanitra hataon'ny olombelona. (...) Ny saina beazina sy fehezina dia vonona hiasa hanasoa satria nandray ny fahalalana ilaina hahatonga izay manana azy ho fitahiana ho an'ny hafa. - MYP, tt. 177-179.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.
Sun 16 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fahatokiana.
Mon 17 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Omeo ahy iry tendrombohitra iry.
Tue 18 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ny herin’ny ohatra aseho
Wed 19 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Ilay mahery fo manetry tena
Thu 20 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Voaova noho ny fibanjinana
Fri 21 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny
Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (52)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal