Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahalala onony amin'ny zavatra rehetra

Daty
Alahady 26 October 2025

"Araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehi triny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana. "- Fil. 1:20.

Mofon’aina:

Maro ireo mandeha eo ambanin’ny aloky ny fahafatesana ankehitriny no niomana hanao asa ho an'ny Tompo, kanefa tsy tsapan'izy ireo ny adidy masina mipetraka aminy mba hitandremany ny lalan’ny fahasalamana. Tena lalàn'Andriamanitra tokoa ny lalàn'ny fahasalamana; kanefa toa hadino izany fahamarinana izany.

Misy ireo mampihatra fomba fisakafo voafetra izay tsy hitondra fahasalamana ho azy ireo. Tsy soloany sakafo be otrikaina ireo sakafo mankarary izay nialany ;  ary tsy nosainin’izy ireo fa ilaina ny fahamalinana sy ny fahaiza-mikaroka eo amin’ny fikarakarana sakafo amin’ny fomba izay mahasalama indrindra. (...)

Maro eran'izao tontolo izao ireo olona mamela ny fahazarana manimba hanjaka. Ny filana no lalàna mifehy ny fiainany; ary noho ny fahazaran-disony dia takona ny fahatakarany ara-moraly, sady misy fahasimbana be ny fahaizany manavaka ny zava-masina. Kanefa ilain'ny Kristianina ny manana fahalalana onony hentitra. Tokony hapetrany ambony ny fenitra hotratrariny. (...) Foto-kevitra no tokony hibaiko fa tsy filana sy haitraitra. (...)

Midika zavatra maro ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Manana fitakiana amin'ireo rehetra izay mandray anjara amin'ny fanompoana Azy Andriamanitra. Faniriany ny hihazonana ny saina sy ny vatana ao anaty fahasalamana tanteraka, ary ny hery sy ny fahafaha-manao rehetra ho eo ambanin'ny fifehezan'Andriamanitra, ary hotehirizina ho matanjaka araka izay azo atao amin'ny alalan'ny fahazarana voakajy sy hentitra. Adidintsika amin'Andriamanitra ny manolotra tanteraka tsy misy fepetra ny tenantsika ho Azy. (...). Ny tanjatsika sy ny fahafaha-manaontsika rehetra dia tokony hampitomboina sy hatsaraina tsy an-kiato amin'izao fotoana fizahan-toetra izao. (...)

(...) Ny fahalalana onony amin'ny  fisotro, torimaso sy fitafy dia anisan'ny foto-kevitra lehiben'ny fiainana ara-pivavahana. Ny fahamarinana ampitoerina ao amin'ny tempolin'ny fanahy dia hibaiko ny fikarakarana ny vatana. Tsy misy azo atao tsinontsinona izay rehetra mahakasika ny fahasalaman'ny olombelona. Ny mandrakizay dia miankina amin'ny fampiasantsika eto amin'izao fiainana izao ny fotoantsika, ny herintsika sy ny hery miasa mangina ananantsika. — RH, 11 Jona 1914.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal