Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahasalama ny mitia an’Andriamanitra.

Daty
Zoma 31 October 2025

"Fa olom-boavidy hianareo; ka dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo."1 Kôr. 6:20. 

Mofon’aina:       
An’Andriamanitra ny tenantsika. Naloany ny saran’ny fanavotana ny vatantsika sy ny fanahintsika. (...) Miahy sy mampihetsika ny tenan’olombelona ny Mpahary. Raha tsy noho ny fikaraka rany tsy an-kiato dia tsy hitepo ny fo, ary tsy hanao ny asany koa ny atidoha.

Ny atidoha no taova itoeran’ny saina sy mifehy ny vatana manontolo. Mba ho salama tsara ny taova hafa rehetra dia tsy maintsy salama tsara ny atidoha. Ary mba hahasalama tsara ny atidoha dia tsy maintsy madio ny ra. Raha hazonina ho madio ny ra, amin’ny alalan’ny fahazarana tsara eo amin’ny fomba fihinana sy fisotro, dia ho voafahana araka ny tokony ho izy ny atidoha.

Ny tsy fahampian’ny firindrana eo amin’ny taovan’ny tenan’olombelona no mitondra aretina. Ny fisainana dia afaka mitarika fahasimbana ho an’ny taova hafa ao amin’ny vatana. Tokony hiasa am-pirindrana ny lafiny rehetra amin’ny firafitry ny vatana. Ireo faritra samihafa amin’ny vatana, indrindra ireo lavitry ny fo, dia tokony hahazo ra mikoriana tsara. (...)

Andriamanitra no Ilay mpikarakara lehibe ny tenan’olombelona. Eo amin’ny fikarakarantsika ny tenantsika dia tsy maintsy miara-miasa Aminy isika. Iankinan’ny aina sy ny fahasalamana ny fitiavana an’Andriamanitra. (...) Mba hananantsika fahasalamana tanteraka dia tsy maintsy feno fitiavana sy fanantenana ary fifaliana ny fontsika. (...)

Ireo manokan-tena manao asa misionera amin’ny alalan’ny fitsaboana, ary miasa tsy an-kiato na misy aza ny loza, ny fahasahiranana, ny fiaretan-tory, ny harerahana sy ny fangirifiriana, dia ahina ho tafalatsaka ao amin’ny fanadinoana fa ilain’izy ireo ny miambina amim-pahatokiana ny herin’ny tenany manokana ara-tsaina sy ara-batana. (...) Kanefa feno hafanam-po sy fahavononana izy ireo, ka indraindray dia miasa tsy amim-pahendrena, mitondra zioga mavesatra loatra. Raha tsy misy fiovana ny mpiasa toy izany dia ho tratry ny aretina ary ho ketraka. (...)

Ny fiantsoana antsika dia ambony lavitra noho ny fitadiavan-tombontsoa mahazatra izay atosiky ny fitiavan-tena, tahaka ny hahavon’ny lanitra amin’ny tany. Kanefa izany dia tsy tokony hitarika ny mpanompon’Andriamanitra (...) hitondra ny enta-mavesatra rehetra azony entina, ka tsy hitsahatra mihitsy. — MedM,tt. 291-293.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal