Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampiany hitandrina ny didiny

Daty
Alarobia 10 December 2025

 "Ary tamin 'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron Jordana, dia nanatona an Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe. Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy".- Mat. 3:13-15.

Mofon’aina:
M. ba hahatanteraka ny "fahamarinana rehetra", dia tsy tapitra teo amin'i Kristy tsy akory ny fahamarinana rehetra. Nanatanteraka izay notakin' Andriamanitra rehetra tao amin'ny fibebahana sy ny finoana ary ny batisa Izy; dia ireo dingan'ny Fahasoavana eo amin'ny tena fiovam-po marina. Tao amin'ny maha-olombelona Azy dia nanatanteraka ny fitakian'ny lalàna Izy. Lohan'ny olombelona rehetra Izy ary Mpisolo sy Antoka. Ny olombelona, dia afaka ny ho mpiray amin'ny Fombany, raha toa mampikambana ny fahalemeny amin'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy.

 Tonga hanome ny ohatry ny fanarahana tanteraka ny lalàn' Andriamanitra i Kristy (...). Efa nilaza Izy fa tsy tonga mba handrava ny lalàna fa hanatanteraka amin'ny fankatoavana feno sy tanteraka.

Tamin'izany no nanandratany ny lalàna sy nanomezany voninahitra izany. Nasehony teo amin'ny Fiainany ny toetra ara-panahin'ny lalàna.

Nasehony tamin'ireo voarin'ny lanitra, sy tamin'ny tontolo tsy lavo ary tamin'ny tontolo mpandika lalàna sy tsy mahay misaotra ary tsy masina, fa tanteraka tao Aminy na dia ny kely indrindra tao amin'ny filamatry ny lalàna aza. Tonga Izy haneho ampahibemaso fa ny olombelona izay tafaray amin'ny lanitra noho ny finoana velona, dia afaka mitandrina ny didin'Andriamanitra rehetra. 

Natao hanondro an'i Kristy ireo karazana fanatitra, ka rehefa tanteraka tao Aminy ny sorona dia tsy nisy vidiny intsony teo anatrehan'Andriamanitra ireo fanatitra hafa rehetra. Tao amin'ny fahafatesan'ilay Zanak'Andriamanitra Lahy Tokana no nihaona ny tandindona sy ny tena Izy. Tonga Izy mba hametraka amin'ny tena maha-izy azy ny toetry ny lalàna, hanambara fa ny tsy fankatoavana sy ny fandikan-dalàna dia tsy hahazoantsika ny fiainana mandrakizay avy amin'Andriamanitra mihitsy. Tonga olombelona Izy mba hanatrarana ny olombelona. (...) — MR, b. 10, tt. 292,293. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal