Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vato voapaika ao amin’ny Tempoliny

Daty
Alahady 14 December 2025

 "Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, 
ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; sambatra izay rehetra miandry Azy." - Isa. 30:18.

Mofon’aina: 
Natao ho an'ny olona rehetra ny filazantsara, ary izany dia hampikambana ao amin'ny fiangonana ny lehilahy sy ny vehivavy samy hafa, na teo amin'ny fiofanana noraisiny na ny toetrany sy ny fomba fisainany. (...)

Ny vahoakan' Andriamanitra dia manana fiantsoana ambony sy masina. Solontenan'i Kristy izy ireo. Izao no niantsoan' i Paoly ny fiangonana tany Korinto: "nohamasinina ao amin 'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina"- 1 Kôr. 1:2. I Petera indray nilaza hoe: "taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, ' olona nalain 'Andriamanitra ho an 'ny tenant', mba hilazanareo ny hatsaran'Ilay niants() anareo hiala tamin'ny maizina ho amin 'ny fahazavany mahagaga. "– 1 Pet. 2:9. 

(...) Vato voapaika nentina avy any an-tendrombohitra no nanaovana ny tempolin'ny Jiosy, ka ny vato tsirairay dia efa samy sahaza ny toerana nandrafetana azy avy, efa voapaika, voakosoka tsara, vita sedra talohan'ny nitondrana azy tany Jerosalema. Ka rehefa tonga teo ny vato rehetra dia nizotra tsy nisy feom-pandraka na tantanana ny tao-trano. 

Io trano io dia maneho ny tempol in' A ndriamanitra ara-panahy izay ivondronan'ireo fitaovana avy amin'ny firenena sy fiteny ary olona samihafa; ny saranga rehetra na ambony na ambany, na manana na ory, na avara-pianarana na tsy nandalo sekoly. Tsy misy izay singa tsy miaina ka mendrika tantanana na fandraka. Vato velona avokoa no nangonina hivoaka avy any amin' izao tontolo izao tamin'ny alalan'ny fahamarinana. Ilay Mpandrafitra Lehibe, Ilay Tompon'ny tempoly no mipaika sy manalama azy ireo, ka manao azy ho mendrika ny toerana nametrahany azy ao amin' ilay tempoly ara-panahy. Rehefa vita io tempoly io, dia ho tanteraka amin'ny lafiny rehetra, ho figagan'ny anjely sy ny olona rehetra, satria Andriamanitra no mpanorina sy mpamboatra azy. (...)— RH, 6 Mey 1884. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (31)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal