Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ziona - fonenan'ny firenena rehetra

Daty
Talata 12 March 2024

Vakio ny Sal. 87:1,2. Inona no mahatonga an'i Ziona ho toerana omen- danja tahaka izao?

Fihirana ho fankalazana an'i Ziona ny Sal. 87, amin’ny maha-tanana voafidin’Andriamanitra manokana sy tanana malala azy. Eo an-tendrombohitr'i Ziona no miorina ny tempolin’i Jehdvah (Sal. 2:6; Sal. 15:1). Amin'ny andro farany, dia ho avo noho ny tendrombohitra hafa rehetra i Ziona. Midika izany fa ambonin'izao tontolo rehetra izao ny fahalehibeazan’Andriamanitra (Sal. 99:2; Isa. 2:2; Mika 4:1). Miantso an’i Ziona ho “tendrombohitra’ ny Sal. 87 mba hanasongadinana ny haavony (Sal. 133:3). *Tian’i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba” ny vavahadin'i Ziona (Sal. 87:2); maneho ny fahambonian’i Ziona mihoatra ny fitoerana hafa rehetra any Isiraely izay natao ho fitoeram-pivorian'ny vahoakan'Andriamanitra tamin’ny lasa izany, tahaka an’i Silo sy Betela. Araka izany, ambaran'ny Salamo fa ny tena fiankohofana marina amin’Andriamanitra dia any amin’ny toerana voafidiny sy amin’ny fomba asainy anaovana izany.

Vakio ny Sal. 87:3-7. Inona ireo zava-malaza ambara momba an'i Ziona?

Mitaona ny firenena hanatona an'Andriamanitra ny voninahitr’i Ziona. Amin‘izany no hitaran'ny fanjakan’Andriamanitra ka hahatonga ny tany rehetra ho isan’izany fanjakana izany. Tsara homarihina fa tsy ataon’Andriamanitra ambanin-javatra tsy akory ny firenena hafa, na dia aseho ho toeran'ny fahaterahana ara-panahin’ny olona rehetra mandray an’i Jehdvah ho Mpamoniy azy aza i Ziona.

Arakaraka ny toerana nahaterahan'ny olona no nanoratana ny anaran'ny olona Isirairay tamin’ny fanisam-bahoaka (Neh. 7:5; Lio. 2:1-3). Intelo no anambaran'ny alamo fa teraka tao Ziona ny firenena rehetra; midika izany fa nomen’Andriamanitra anarana vaovao izy ireo ary nomeny azy koa ny tombontsoa rehetra tokony ho an’ny zanak'i Ziona ara-dalana (Sal. 87:4-6).

Manondro ny famonjena ny Jiosy sy ny Jentilisa ny Sal. 87, ary ny firaisan’izy ireo ho fiangonana iray amin’ny alalan’ny asa fanavotan’i Kristy (Rom. 3:22; ROm. 10:12; Gal. 3:28, 29; KOl. 3:11). Ny fanehoan’ny Salamo ny fiadanan ji Ziona dia fampahatsiahivana ny fahitana nomena an’i Daniela mikasika ny fanjakan’Andriamanitra izay tonga tendrombohitra lehibe mameno ny tany manontolo (Dan. 2:34, 35, 44, 45) ary koa ny fanoharana nataon’i Jes6sy momba ny fanjakan’Andriamanitra izay manjary hazo \ehibe ipetrahan'ireo voromanidina (Mat. 13:32).

Tanteraka ao amin'ny Iraka lehibe ampanaovina ny fiangonana, dia ny hitory ny filazantsara amin’ny firenena rehetra, ny fahavononan'iZiona handray ny olona rehetra ho zanany (Mat. 28:18-20). Amin'ny fomba ahoana? Ahoana no mampifanaraka izany hevitra izany amin'ny fiantsoana antsika hitory ny hafatry ny anjely telo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal