Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitiavana nateraky ny famindram-po

Daty
Talata 06 January 2026

"Fa hamindra fo amin'ny tsi-fahamarinany Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany." - Heb. 8:12.

Mofon’aina:
Fitiavana miavaka tokoa no itiavan'Andriamanitra ny   taranak'olombelona lavo —fitiavana nateraky ny famindrampo izany, satria tsy misy mendrika raha ny taranak'olombelona. Ny famindrampo dia midika fa tsy tonga lafatra ny olona iantefany. Noho ny fahotana no nampiasana ny famindrampo.

Halan'Andriamanitra ny fahotana, fa tiany sy iantrany kosa ny mpanota. Zanaka tiany havotana ireo zanakalahy sy zanakavavin'i Adama izay nania. Tamin'ny nanomezany ny Zanany no nanehoany tamin'izy ireo ny fitiavany sy ny fimindrampony tsy manam-petra. - ST, 24 Mey 1902.

Mitady fiaraha-miasa amin'ireo voariny marefo sy nania Andriamanitra, voary izay notolorany tombontsoa be. (...) Omena ny olona ny tombontsoa ahafahany miara-miasa am in ' Andriamanitra ho famonjena ny fanahiny. Aoka izy handray an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana ary koa h i no Azy. (...)

 Novolavolaina nandritra ny flan-kevitry ny Ray sy ny Zanaka ny drafi-panavotana. Ary i Kristy dia nanolo-tena mba ho eo amin'ny toerana tokony hisy ny olona raha toa misy ny tsy fahatokiany amin'Andriamanitra. Nanolo-tena Izy mba hanao fanavotana izay hampihavanana ny fanahy mino rehetra amin'Andriamanitra. Izay mametraka ny fahotany eo amin'ilay Mpisolo sy antoka ho azy dia afaka hiombom-peo amin'ny apostoly manao hoe: "Isaorana anie Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any, an-danitra." - Efes. 1:3 "Mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben 'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao arnin Kristy Jesosy." – Efes. 2:7.

 Tamin'ny fitiavany tsy manam-petra no namolavolan'i Kristy ny drafi-pamonjena. Ary vonona mandrakariva izany drafitra izany hotanterahina ho an' izay rehetra manaiky hiara-miasa Aminy. Ho azy ireo no ilazan'i Kristy amin'ny Ray hoe: "Aza isaina ny fahotany, faaoka Izaho no hitondra izany. (...) Efa nandray ny Fahamendrehako izy ary efa nihavana Amiko, (...) Efa noraisiny ny Fahamarinako, ka tahio amin'ny fitahiam-panahy izy ireo noho ny Amiko." - ST, 27 Febroary 1901 (RH, 28 Mey 1908) 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal