Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery tsy manam-petra

Daty
Alahady 11 January 2026

 "Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin 'ny haben 'ny heriny? Izaho Izay mitoty fahamarinana sady manan-kery hamonjy." - Isa. 63:1.

Mofon’aina:
Tonga teto an-tany ilay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra   mba hamonjy ny taranaka lavo. (...) Homeny hery izay mandray Azy ka hanorina toetra lavitra ireo fironana rehetra asehon' i Satana. Azontsika atao ny manohitra ny fahavalo sy ny tafiny rehetra. Handresy amin'ny ady ireo izay mifidy an'i Kristy ho mpitarika azy, dia izay vonona hanao ny tsara satria izany no tokony hatao.

Mahay miatrika ny toe-java-tsarotra rehetra ilay Andriamanitra tompointsika; hainy ny zavatra rehetra. Nasehony antsika ny fahalehibeazan' ny fitiavany tamin' ny alalan'ny fiainany feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ary tamin'ny fahafatesany feno fangirifiriana. Manatôna an'i Kristy amin'ny maha ianao anao (...). Aoka ny tnomba anao rnanontolo hiantehitra amin'ny famindrampony. (...)

Misy ireo manana toetra foizina, nefa Ilay nampitony ny tafiotra teo amin'ny ranomasin'i Galilia no hiteny amin'ny fo misamboaravoara hoe: "Mangina, mitsahara." Tsy misy toetra mpikomy izay tsy hain' i Kristy ampileferina, tsy misy toetra mirehidrehitra sy foizina tsy hainy tonena, raha toa ny fo milefitra amin'ny Fitandremany.

Ho lavitry ny fahakiviana ireo izay mametraka ny fanahiny amin'i Jesosy satria manana Mpamonjy mahery isika. Rehefa mibanjina an'i Jesosy Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoanao ianao, dia afaka hilaza hoe: "Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana lzy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra." - Sal. 46:1-2. 

(...) Aza mandao ny loharanon'i Libanona mba h iala hetaheta ao amin'ny lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Andriamanitra no inoy. (...) Na dia maro aza ireo mihazakazaka ho any amin'ny lalan-diso, na dia mahakivy aza ny toe-javatra mitranga, dia manana antoka feno isika ao amin'ilay Mpitarika antsika. Hoy lzy amintsika: "Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa." Isa. 45:22. Tsy manam-petra ny heriny ary mahavonjy izay rehetra manatona Azy. Tsy misy hafa ankoatra Azy azontsika itokiana tanteraka. — RH, 9 Jona 1910. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal