Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hery tsy manam-petra

Daty
Alahady 11 January 2026

 "Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin 'ny haben 'ny heriny? Izaho Izay mitoty fahamarinana sady manan-kery hamonjy." - Isa. 63:1.

Mofon’aina:
Tonga teto an-tany ilay Zanaka Lahitokan'Andriamanitra   mba hamonjy ny taranaka lavo. (...) Homeny hery izay mandray Azy ka hanorina toetra lavitra ireo fironana rehetra asehon' i Satana. Azontsika atao ny manohitra ny fahavalo sy ny tafiny rehetra. Handresy amin'ny ady ireo izay mifidy an'i Kristy ho mpitarika azy, dia izay vonona hanao ny tsara satria izany no tokony hatao.

Mahay miatrika ny toe-java-tsarotra rehetra ilay Andriamanitra tompointsika; hainy ny zavatra rehetra. Nasehony antsika ny fahalehibeazan' ny fitiavany tamin' ny alalan'ny fiainany feno fandavan-tena sy fahafoizan-tena ary tamin'ny fahafatesany feno fangirifiriana. Manatôna an'i Kristy amin'ny maha ianao anao (...). Aoka ny tnomba anao rnanontolo hiantehitra amin'ny famindrampony. (...)

Misy ireo manana toetra foizina, nefa Ilay nampitony ny tafiotra teo amin'ny ranomasin'i Galilia no hiteny amin'ny fo misamboaravoara hoe: "Mangina, mitsahara." Tsy misy toetra mpikomy izay tsy hain' i Kristy ampileferina, tsy misy toetra mirehidrehitra sy foizina tsy hainy tonena, raha toa ny fo milefitra amin'ny Fitandremany.

Ho lavitry ny fahakiviana ireo izay mametraka ny fanahiny amin'i Jesosy satria manana Mpamonjy mahery isika. Rehefa mibanjina an'i Jesosy Ilay Tompo sy Mpanefa ny finoanao ianao, dia afaka hilaza hoe: "Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana lzy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra." - Sal. 46:1-2. 

(...) Aza mandao ny loharanon'i Libanona mba h iala hetaheta ao amin'ny lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Andriamanitra no inoy. (...) Na dia maro aza ireo mihazakazaka ho any amin'ny lalan-diso, na dia mahakivy aza ny toe-javatra mitranga, dia manana antoka feno isika ao amin'ilay Mpitarika antsika. Hoy lzy amintsika: "Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa." Isa. 45:22. Tsy manam-petra ny heriny ary mahavonjy izay rehetra manatona Azy. Tsy misy hafa ankoatra Azy azontsika itokiana tanteraka. — RH, 9 Jona 1910. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal