Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanefitra azo antoka

Daty
Sabotsy 17 January 2026

 "Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondryfotsy." - lsa. 1:18.

 
Mofon’aina:
Mamela heloka Andriamanitra; izany no zavatra tokony hitondra fifaliana lehibe indrindra ho antsika. Vonona Izy ary manaiky ny hanadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra raha toa isika mihazona Azy amin'ny Teniny ary mahafoy ny fahotantsika. Homeny fo madio isika ary hamponeniny ao anatintsika ny Fanahiny, satria velona hanao fanelanelanana ho antsika i Jesosy. Saingy (...) tsy maintsy araka ny Fanahy no amantarana ny zava-, panahy. Ny finoana velona sy miasa ary tsy mihozongozona no mahay mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra, izay mandray ho an'ny tenany ny teny fikasana ary mahazo tombony amin'ireo fahamarinana raketin'ny Teniny. (...) - L 4, 1889.

Rehefa mandray ny tenin'i Kristy toy ny miantefa aminao mivantana ianao, rehefa mandray ny fahamarinana ho an'ny tenany manokana ny tsirairay toy ny hoe izy irery no mpanota eto an-tany ka nahatonga an'i Jesosy ho faty, dia hianatra hitaky amim-pinoana ny fahamendrehan'ny ran' ilay Mpamonjy voahombo sy nitsangana tamin'ny maty (...).

Maro ireo mahatsapa fa ny kileman-toetrany no tsy hahafahany manatratra ny fenitra napetrak'i Kristy hotratrarintsika, kanefa ny hany izany olona izany hatao dia ny manetry tena isaky ny indray mandingana eo am bany tanana maherin' Andriamanitra. Tsy ny asan'ny olona no anombanan'Andriamanitra azy fa ny toe-tsaina entiny manatanteraka izany.

 Rehefa hitany ny olona mitondra ny enta-mavesany, miezaka milonjy izany amin'ny fanetren-tena, tsy amin'ny fitokian-tena fa amin'ny fianteherana tanteraka Aminy, dia hampiany ny Fahatanterahany ny asan'izy ireo ka manjary hekena ao amin'ny Ray izany. Ekena ao amin'ilay Malala isika. Rakofan'ny fahatanterahan' i lay Tompo Fahamarinantsika ny fahalemen'ny mpanota. Ny Ray dia mijery amim-pangorahana ireo izay manana finiavana madio sy torotoro fo ary miezaka amim-panetren-tena ny hiaina araka ny fitakian'Andriamanitra. Toy ny zanaka mpankatô no fahitany azy ireo ka hatafiny azy ny fahamarinan'i Kristy. L 4, 1889. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal