Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana mamikitra

Daty
Alahady 22 March 2026

 "Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho." – Gen. 32:27.

Mofon’aina:
Ho anao izay tia miresaka momba ny fahadisoan'ny hafa, mifohaza ka diniho ny fonao. Raiso ny Baibolinao, ary manatona an'Andriamanitra hivavaka amim-pahatsoram-po. Angataho Izy hampianatra anao hahafantatra ny tenanao, hahatakatra ny fahalemenao, ny fahotanao sy ny fahadalanao, (...) ny tena toetranao, araka ny fijerin'ny lanitra. Asan'ny tena manokana izany. (...) Ento eo amin'Andriamanitra amim-panetren-tena lal i na ny fangatahanao, ary aza tafandry mandry mandra-pahafahanao milaza hoe: Avia, mihainoa fa holazaiko izay nataon'ny Tompo ho ahy — mandra-pahafahanao manao fanambarana velona sy mitantara ny fandresena azonao.

Nitolona tamin'ilay Anjely nandritra ny alina i Jakoba vao nahazo fandresena. Hoy ilay Anjely: "Avelao Aho handeha, fa efa mazavarat.sy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho." Ary dia voavaly ny vavaka nataony. "Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin 'Andriamanitra sy tamin 'ny olona hianao ka nahery." –Gen. 32:26-28. 

Mila ny faharetan'i Jakoba isika, sy ny finoana tsy milavo lefona nananan'i Elia. lmbetsaka i Elia no naniraka ny mpanompony hijery raha efa nisy rahona niakatra, saingy tsy nisy. Farany, tamin'fly fanimpitony, dia niverina ilay mpanompo nilaza hoe: "misy rahona kely hoatra ny iceman 'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina" – 1 Mpanj. 18:44. Moa ve nihambahamba i Elia ka nanao hoe: "Tsy mety amiko iv porofo io; hiandry aho mandra-pahafeno raho-mainty ny lanitra"? Tsia. Fa hoy izy: Fotoana iaingantsika izao. Ninoany tanteraka ho avy amin'Andriamanitra ilay famantarana, ka naniraka ny mpanompony izy hilaza amin'i Ahaba fa misasasasa ny ranonorana be.

 Finoana toy izany no ilaintsika, finoana mamikitra ka tsy mamela handeha. Voalazan'ny Soratra Masina fa i Elia dia olona tahaka antsika ihany. Nihaino ny vavaka nataony ny lanitra. Nivavaka izy mba tsy hilatsahan'ny ranonorana, dia tsy nisy orana. Nivavaka indray izy mba hisy orana, dia tonga ny orana. Ary nahoana no tsy mangataka amin'ny Tompo isika ho an'ny vahoakany ankehitriny? Ny Tompo anie hameno antsika amin'ny Fanahiny! Hosokafana anie ny saintsika mba hahatakatra ny zava-miafin'ny fahamasinana! – RH, 9 Janoary 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal