Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny toe-tsain'ny fileferana

Daty
Alatsinainy 23 March 2026

 "Mivavaha, ka aza mitsahatra." – 1 Tes. 5:17.

Mofon’aina:
Mivavaha hatrany amin' ny Rainao any an-danitra. Arakaraka ny ivavahanao matetika no hahatonga ny fanahinao ho voasintona hanakaiky an'Andriamanitra masina. Hifona ho an'ny mpangataka tso-po ny Fanahy Masina, amin'ny fitarainana tsy azo tononina, ary halefaka sy hilefitra eo anatrehan'ny fitiavan'Andriamanitra ny fo. Hisava ny rahona sy ny aloka anaronan'i Satana ny Fanahy, amin'ny alalan'ny taratra mazavan'fly Masoandron'ny fahamarinana, ka hohazavain'ny Fahazavana avy any an-danitra ireo efitrefitra ao amin'ny saina sy ny fo.

Kanefa aza kivy raha tsy mivaly eo no ho eo ny vavakao. Hitan'ny Tompo fa matetika mifangaro amin'ny fisainana ara-nofo eto an-tany ny vavaka. Ny hanomezana fahafaham-po ny faniriany feno fitiavan-tena no ivavahan'ny olona, koa tsy valian'Andriamanitra amin'ny fomba antenain'izy ireo ny vavaka ataony. Ampandaloviny fisedrana sy fitsapana izy ireo, ataony mietry, mandra-pahitan'izy ireo mazava ny tena ilainy. Tsy omen' ny Tompo ny zanany izay zavatra manome ny fahafaham-po ny filana ambany, na izay marimba ny olombelona, na izay manala baraka eo imason'Andriamanitra. Raha fanirian-daza na ho fanandratan-tena fotsiny no tanjon'izy ireo, dia tsy homeny azy izay angatahiny. Tsy maintsy amin'ny fo mietry sy torotoro, milefitra tanteraka amin'ny sitrapony masina, no anatonantsika an'Andriamanitra. 

Nanao izao vavaka izao i Kristy tao amin'ny saha Getsemane: "Raiko raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity." – Mat. 26:39. Ny kapoaka nentiny amim-bavaka mba hesorina Aminy, izay toa mangidy loatra ho an'ny fanahiny, dia ny kapoaky ny fisarahana amin'Andriamanitra noho ny fahotan' izao tontolo izao. Tonga toy ny meloka teo anatrehan'Andriamanitra Izy, Izay tanteraka sy tsy manan-tsiny, mba ho voavela heloka ny meloka ka hijoro tsy hanan-tsiny eo anatrehan'Andriamanitra. Rehefa azony antoka fa tsy misy fomba hafa azo amonjena izao tontolo izao afa-tsy ny fanaovana sorona ny Tenafly, dia hoy Izy: "nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." – Mat. 26:39. Ny toe-tsaina milefitra nasehon' i Kristy teo am-panandratana vavaka amin'Andriamanitra no toe-tsaina ankasitrahan'Andriamanitra. – RH, 19 Novambra 1895.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal