Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.

Daty
Alarobia 25 March 2026

Vakio ny Kol. 4:14,15 sy ny 2 Tim. 4:10,11. Inona no mampiavaka an'i Lioka amin'i Demasy ary nahoana?

Hoy ny apostoly Jaona: "Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. - 1 Jao. 2:15. Nahatonga an'i Lioka hiaraka tamin'i Paoly hatramin'ny farany, na inona na inona mety hitranga, ny fitiavany an'i Jesosy sy ny fanjakany, fa i Demasy kosa tia izao tontolo izao mihoatra noho ilay tontolo ho avy.

Vakio ireto andininy manaraka ireto. Inona no torohevitra omena ao ho an'ireo miandry ny fiavian'i Kristy fanindroany?

Mar. 13:32-37 ………………..………………..………………..………………..………………..………..

Tit. 2:11-14 ………………..………………..………………..………………..………………..……………

2 Pet. 3:10-14 ………………..………………..………………..………………..………………..……….

Apok. 3:17-21 ………………..………………..………………..………………..…………………………

Nampitandrina antsika matetika i Jesosy sy ny apostoly mba "hiambina", ho mailo, ary ho vonona mandrakariva ho amin'ny fiavian'ny Tompo mba tsy ho tampoka amintsika izany. Indrisy anefa, toy ireo mpianatra izay tsy nitandrina ny baikon'i Jesosy hoe "Miareta tory hianareo, ka mivavaha" - Mar. 14:38, dia maro no tsy hanatanteraka ny fiomanana ilaina. Miankina armin'izay ataontsika tompon'ny fontsika izany rehetra izany, satria tsy mahay manompo tompo roa isika.

Ao amin'ny hafatra ho an'i Laodikia dia manome antsika toromarika mazava I Jesosy. Voalohany, mila mibebaka amin'ny fahotantsika isika. Faharoa, mila manokatra ny fontsika ho an'i Jesosy isika ary mamela Azy hifehy, izay avy eo (fahatelo) hahatonga antsika hanana finoana tsara lavitra noho ny « volamena» sy fitiavana voazaha toetra ary handresy ny fakam-panahy.

Inona avy ireo toetra manokana mety hangatahin'i Jesôsy mba hibebahanao eo amin'ny fiainanao? Inona amin'ireo toromarik'i Jesôsy no tena ilainao indrindra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal