Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 06 April 2026

Tsy teny fampiasan'ny olona matetika andavanandro ny hoe "fahamasinana", angamba satria vitsy loatra no mba zava-masina manodidina antsika. Ny Sabata dia andro masina eo amin'ny fotoana, ary mazava loatra, Andriamanitra dia masina. Tsy misy fahamasinana ny fiainantsika andavanandro raha tsy miaraka amin'Andriamanitra.

Ho hitanao, rehefa mandinika izay voalaza matetika ny amin'ny toetran'Andriamanitra lanao, fa ny fahamasinana no ivon'ny maha Izy Azy. Saingy inona no hevitr'izany?

Amin'ny fomba ahoana no anoritsoritan'ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto an'Andriamanitra: Lev. 20:26, 1 Sam. 2:2, Isa. 57:15, ary ny Ezek. 38:23?

Rehefa manoritsoritra an'Andriamanitra ho masina ny Baiboly, dia midika izany fa tsy ahitana ratsy na ota mihitsy ao Aminy ary tsy misy ifandraisana Aminy velively izany. Tsara 100 isan-jato Andriamanitra, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Araka izany. ny fahamasinan Andriamanitra no fototry ny toetrany hafa rehetra.

Ohatra, ny fitiavan'Andriamanitra dia fitiavana madio sy masina-fitiavana mihevitra ny hafa sy tsy misy na inona na inona mety ho endrika fitiavan-tena. Fahalalana masina ny fahalalany ny zavatra rehetra, izay tsy mifono fikasan-dratsy. Hatoky an'Andriamanitra halala ny zavatra rehetra ve ianao raha tsy masina Izy? Mazava Ma loatra fa tsia! Hatahotra Azy aza isika, ary rariny izany.

Ny fahefan'Andriamanitra tsy voafetra dia hery masina. Alao sary an-tsaina ny Andriamanitra iray izay tsitoha nefa tsy masina. Mety ho mpanjakazaka lozabe Izy. Ny fahamasinan Andriamanitra irery ihany no mahatonga antsika sy ahafahantsika mitia Azy marina, satria tsara Izy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany. Izany no inoana fa ny fahamasinana no toetra manan-danja indrindra tokony ho takatra momba an'Andriamanitra. Kanefa, azo lazaina fa io koa no anisan'ny toetrany tsy takäatry ny olona araka ny tokony ho izy indrindra.

Saino ny amin'ireo olona tantaraina ao amin'ny Baiboly, toa an'i Mosesy, Isala, Ezekiela, Daniela, ary Jaona, izay nankeo anatrehan Andriamanitra, Inona no fihetsika nataon'izy ireo voalohany? Nesoriny ny kapa teny an-tongony, nafeniny ny tavany, na lavo tamin'ny tany toy ny maty. Olombelona mpanota isika, tsy masina velively, hany ka tsy mahazaka ny mijoro eo anatrehan Andriamanitra. Tsy mba ho velona ny olombelona rehetra izay mijery ny tavan'Andriamanitra. Toy izany koa, rehefa nomena fahitana i Ellen G. White, dia matetika no niantso hoe: "Voninahitra... voninahitra... voninahitra voninahitra," satria izany no teny tokana toa mahalaza indrindra ny zavatra hitany. Ary koa, ireo zava-manana aina efatra dia tsy mitsahatra andro aman'alina manao hoe: "Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy."-Apôk . 4:8.

Marina tokoa fa madio sy masina Andriamanitra, ary toy izany no tsy maintsy ahitantsika Azy rehefa manatona Azy isika. Nahoana no mampahery anao ny fahafantarana izany? Manainga anao hanao inona izany raha ny toetranao no jerena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal