Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 09 April 2026

Raha maniry hanambara ny toetran'Andriamanitra amin'ny olona tsy kristianina ianao araka ny voalazan'ny Baiboly, inona no andalan-tSoratra Masina hotondroinao?

Ny valiny tsara indrindra, mazava loatra, dia i Jesôsy. Milaza ny Baiboly fa i Jesosy dia tsy maneho fotsiny an'Andriamanitra fa manambara Azy. Andininy maro ao amin'ny Baiboly no manazava izany, fa ny tsotra indrindra dia ny Jao. 14:9, izay ilazan'i Jesosy hoe: "Izay nahita Ahy die nahita ny Ray. Mila mibanjina an'i Jesôsy isika - ny teniny, ny asany, ny fombany, ary ny fitiavany lehibe ny olombelona tamin'ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty-mba hahalalantsika misimisy kokoa ny amin'Andriamanitra.

Ao amin'i Jesosy Zanany no isehoan'ny fitiavan'ny Ray sy ny fiahiany antsika mazava indrindra. Izao no ahitantsika ny hakanton'ny Baiboly: misy lafiny efatra manan-danja asehon Andriamanitra antsika momba ny fiainan'i Jesosy, izay ahafahantsika manana fahafantarana feno mikasika ny maha Izy Azy. Hitantsika ao amin'ny Matio (nosoratan'ny Jiosy iray, ho an'ny Jiosy), fa i Jesosy no llay Mesia nandrasana hatry ny ela izay nahatanteraka ny teny fikasana. Hitantsika ao amin'ny Marka ny fiainan'i Jesosy feno fanompoana sy fahafoizan-tena, Nihevitra mandrakariva ny hafa Izy ary nanaiky hatrany ny sitrapon'ny Rainy. Azontsika vakina ao amin'ny Lioka ny momba ny fihetseham-pon'i Jesosy. ny maha olombelona Azy sy ny fangorahany, ary azontsika vakina izany tantara izany mba hananantsika toky fa marina izay vakintsika (Lio. 1:3,4). Ao amin'ny Jaona no ahitantsika ny Zanak Andriamanitra tonga nofo sy andrisihana antsika hino fa i Jesosy dia ilay lazain'ny Tenany ho Izy tokoa, mba hamelombelomana ny fiainantsika ara-panahy.

Na mitovy aza ny votoatin'ireo Filazantsara efatra, "dia samy hafa ny fomba nanehoana izany. Samy manana ny fanandramany manokana ny mpanoratra tsirairay, ary izany fahasamihafana izany no mahatonga ny fahalalana hitatra sy hihalalina mba hahafa-po ny filan'ny saina samihafa. Ms, 105, 1900. Iza amin'ireo Filazantsara ireo no novakinao farany?

Misy anarana manokana omena an'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 1:23. Nahoana izany no manan-danja amin'ny fahafantarana ny toetran'Andriamanitra? Vakio ny Mat. 28:20, ka ifantohy ny tapany farany. Ampitahao ireo andininy roa ireo. Inona no tsikaritrao?

Vaony ampahany voalohany amin'ity lohahevitra goavana momba ny toetran Andriamanitra ity no voaresatsika. Lehibe sy mahavariana mihoatra noho izay azontsika sainina Andriamanitra, ary hianatra momba Azy hatrany isika mandritra ny mandrakizay.

Mendrika ny hoderaintsika Andriamanitra noho ny maha tzy Azy sy izay efa nataony ary ataony eo amin'ny fiainantsika. Manokána fotoana izao hanandratana vavaka hiderana an'Andriamanitra noho ny maha Izy Azy. Tonòny mihitsy izay lazain'ny Baiboly aminao momba an'Andriamanitra. (Ohatra: "Misaotra Anao aho, Andriamanitra, satria [toetran'Andriamanitra) lanao, araka ny lazainao amiko ao amin'ny (andininy]".)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal