Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miasa amin’ny anjely.

Daty
Alahady 05 April 2026

"Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? " Heb. 1:14.

Mofon’aina:
Anisan’ny asa ataon’ny anjelin’ny lanitra ny mamangy ny tanintsika sy manara-maso ny asan’ny Tompo izay napetrany eo an-tanan’ny mpitantana ny Fananany. Amin’ny fotoana ilana izany no anompoan’ireo ny mpiara-miasa amin’Andriamanitra, dia ireo izay mikely aina mba hampandroso ny Asany eto an-tany. Faly ireo tafiky ny anjely isaky ny misy ampahany amin’ny asan’Andriamanitra mandroso.

Mahaliana ny anjely ny fahasalamana ara-panahin’ireo rehetra mikatsaka ny hamerina amin’ny laoniny ny endrik’Andriamanitra (...) eo amin’ny olona, ary tokony hifandray amin’ny fianakaviamben’ny lanitra ny taranak’olombelona mba hamehy ny ratra (...) nateraky ny fahotana. Ireo anjely, na dia tsy hita maso aza, dia miara-miasa amin’ny olombelona (...). Ireo anjely izay niady tany amin’ny lapan’ny lanitra ka naharesy niaraka tamin’Andriamanitra, rehefa nikatsaka ny hahazo ny toerana ambony indrindra i Satana, ireo anjely izay nanao hiakam-pifaliana tamin’ny fotoana namoronana ny tany sy namoronana ireo razambentsika voalohany (...), ireo izay nanatri-maso ny fahalavoan’ny olombelona sy ny fandroahana, azy ireo hiala tao Edena fonenany (...) dia liana indrindra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny olombelona lavo, izay taranaka navotana ho famonjena ireo izay efa ho faty ao amin’ny fahotany.

(...) Raha miara-miasa amin’ireo hery tsy hay tohaina ireo isika, dia mahazo tombontsoa amin’ny fanabeazana sy ny fanandramana ambony kokoa. Araka izany, rehefa tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra isika ary mandositra ny fitiavan-tena, dia omena antsika ny talenta manokana hoenti-manampy ny hafa. (...)

Feno hafaliana ny lanitra rehefa mijery ny fikambanan’ireo hery ireo! Ny lanitra manontolo no manara-maso ireo tanana miasa ho fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra eto an-tany ka manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny Fikasany any an-danitra amin’izany. Ny fiaraha-miasa toy izany dia ahatontosana asa izay manome voninahitra sy haja ary fiandrianana ho an’Andriamanitra. Raha mba samy tia tahaka ny nitiavan’i Kristy mantsy ny rehetra, mba hahatonga ny olombelona very ho voavonjy amin’ny faharinganana, hanao ahoana re ny fiovana hisy eto amin’ny tontolontsika! – RH, 19 Marsa 1901.
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal