Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Voa mampidi-doza ny fisalasalana.

Daty
Alakamisy 09 April 2026

" Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’olombelona ka hanenina: moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny? " Nom. 23:19 

Mofon’aina :
Izay misalasala mandrakariva sy mitady porofo fanampiny mba hampisava ny rahon’ny tsy finoany dia tsy miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Miankina amin’ny toe-javatra ny finoan’izy ireo, ary miorina amin’ny fihetseham-po. Kanefa ny fihetseham-po, na dia tsara aza, dia tsy finoana. Ny Tenin’Andriamanitra no fototra tokony hiorenan’ny fanantenantsika ny lanitra.

Mahonena ny olona mpisalasala mandrakariva, izay mampifantoka ny fijeriny sy ny fisainany amin’ny tenany. Raha ny tenanao no jerenao (...) dia tsy afaka hanantena ny hanahaka an’i Kristy ianao. Tsy mahavonjy anao ny “izaho” (...). Sambo vaky izay tsy tokony hiakaran’ny finoanao akory ny “izaho”. Amin’ny fotoana izay itokianao aminy no haharendrika azy. Mankanesa eo amin’ilay lakan’aina! Eo no hany fiarovana ho an’ny ainao. I Jesosy no kapitenin’ny lakan’aina, ary tsy mbola nisv mpandeha nentiny ka rendrika. – LU, 1897.

Ny rivo-piainan’ny lanitra no tena ilaintsika hanodidina ny fanahintsika. Ilaintsika ny hikasihana ny molotsika amin’ny vainafo avy eo amin’ny alitara. Ilaintsika ny mandre an’i Kristy manao izao teny izao: “madiova hianao.” Raha toa isika nampiely fahamaizinana na nanangona faharatsiana sy namafy fisalasalana ary namboly (...) hakiviana tao an-tsain’ny hafa, hanampy antsika hahita izany fahotantsika izany anie Andriamanitra! (...) Aoka isika hihaino izao fananarana izao: “Aoka ho masina hianareo amin’ny resaka hataonareo rehetra.” - 1 Pet. 1:15, dikanteny KJV. Raha misy voan’ny fisalasalana anankiray nafafy, dia tsy tratry ny herin’olombelona ny hamono izany. Andriamanitra irery no mahay manongotra azy avy ao am-po. (...)

Efa navelatra manoloana antsika ireo teny fikasan’Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ireny no hifikirantsika amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ao anatin’ireo fahasoavana ireo no ahafahan’ny fiangonana mamirapiratra sy maneho amin’izao tontolo izao amin’ny fomba mivaingana ny fahamarinan’i Kristy.

Ny finoana velona (...) no vatofantsika ho an’ny fanahy; mafy sy azo antoka izany. (...) Hoy i Jaona: “ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” – 1 Jao. 5:4. – Ms 66, 1895.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal