"Tongava aminareo araka ny finoanareo." - Mat. 9:29
Mofon’aina:
Ny finoana no fitaovana mampifandray ny fahal emen 'ny olombelona amin'ny herin'ny lanitra. (...) Tsy tokony hampihena ny finoantsika sy ny fitiavantsika an'Andriamanitra, na dia kely monja aza, ny faharatsiana miavosa, ary tsy tokony hampalemy ny fitokiantsika amin'ireo teny fikasana azo antoka. Raha tsy izany, dia hipaoka antsika hanalavitra ilay tena fanorenana marina ny riaka maherin'ny fakam-panahy. Manana asa lehibe tokony hatao isika, ary mita finoana lehibe kokoa. (...) Ny firaisana amin'Andriamanitra no hanamafy ny finoantsika, ary ny fizahan-toetra ny finoantsika no mety ho tonga famantarana mamirapiratry ny fandresentsika.- L 24, 1888.
Misy asa tokony hatao ao am-pontsika. Tsy maintsy mampilefitra mandrakariva ny sitrapontsika eo ambany sitrapon'Andriamanitra isika (...). Rehefa mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra isika dia ovana hahazo izany endrika izany, avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra. (...) Tsy tokony hifikitra amin'ny fombantsika manokana isika, na amin'ny drafitsika sy ny hevitsika. (...) Aoka horesena ireo fahotana mora mahazo antsika sy ny fahazaran-dratsy. Tokony hofongorana hâte Amin’ny fakany ny toetra sy ny fihetseham-po ratsy (...).
(...) Finoana velona no tsy maintsy ananantsika, dia izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fo. Tsy maintsy mianatra mitondra ny zava-drehetra ho eo amin'ny Tompo isika, amin'ny fahatsorana sy ny finoana mahitsy indrindra. Ny "izaho" no entana mavesatra indrindra entintsika amin'izao fiainana izao. Raha tsy mianatra ao amin'ny sekolin'i Kristy isika, mba ho tonga malemy fanahy sy manetry tena, dia ho verintsika ny tombontsoa sarobidy maro ( ...) izay hahatonga antsika hifankazatra atnin Jesosy (...).
Mankanesa eo amin'i Jesosy mba hovolavolainy sy hotefeny ka ho tonga fanaka homem-boninahitra. Aoka hapetrakao eo am-pototry ny hazo fijaliana ny fakam-panahy mahazo anao sy ny eritreritrao ary ny fihetseham-ponao. Rehefa izay vao ho vonona hihaino ny toromariky ny lanitra ny fanahy. Homen'i Jesosy hosotroinao ny rano miboiboika avy eo amin'ny onin'Andriamanitra. Hanjavona ny fangatsiahanao sy ny tsy firaihanao eo ambanin'ny hery miasa manginan'ny Fanahiny (...). Ho loharano ao am-ponao i Kristy, izay hiboiboika ho fiainana mandrakizay. - L 57, 1887.