Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana miasa.

Daty
Alahady 12 April 2026

"Ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an'i Kristy, dia ny fahamarinan’Andriamanitra amin'ny .finoana." - Fil. 3:9

Mofon’aina:
Zavatra iray ny mamaky sy mampianatra ny Baiboly, ary zavatra iray hafa koa ny mandrakitra ao am-po ireo fitsipiny mitondra fiainana sy manamasina. (...) "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana" - Efes. 2:8. Tokony hobeazina ny saina mba hampihatra finoana fa tsy hikolokolo fisalasalana sy fiahiahiana ary fialonana. Manana fironana loatra ny hijery ny sakana ho toy ny tsy azo anihina isika. Lesona sarotra ianarana ny mino ireo teny fikasan'Andriamanitra, sy ny mandroso ka tsymanaiky hofehezin'ny toe-javatra. Mahasoa ny zanak'Andriamanitra tsirairay anefa, ary tokony hataony, ny mianatra izany lesona izany. Aoka isika hankamamy mandrakariva ny fahasoavan 'Andriamanitra, satria nomena antsika ho hany fomba hahafaha-manatona an'Andriamanitra izany. (...)

Ny finoana resahin'ny Tenin'Andriamanitra dia miantso ny hananana fiainana izay manao ny finoana an'i Kristy ho fitsipika velona mifehy azy. Sitrapon'Andriamanitra ny handavorariana ny finoana an'i Kristy amin'ny asa. Ampifandraisin'i Kristy amin'ireny asa ireny ny famonjena sy ny fiainana mandrakizain ' ireo izay mino, ary amin'ny alalan'ny asa  no hizarany ny tara-pahazavan'ny fahamarinana ho any amin'ny firenena sy ny olona rehetra. Izany no vokatry ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra.

(...) Aseho amin'ny teny sy ny asa mandrakariva ny finoana. Mitera-boka-tsoa ny finoana noho izy singa iray sarobidy eo amin'ny fiainana. Ny fiainana voavolavolan'ny finoana dia ahitana risi-po hivoatra sy handroso mba hanaraka ny dian-tongotr'i Kristy. - RH, 17 Marsa 1910.

Nalain'ny (...) fahamarinana avy tany amin'ny fihadiam-baton'izao tontolo izao toy ny vato marokoroko isika ary napetrany ho ao amin'ny trano fiasan'Andriamamtra. Izay tena mino marina an' i Kristy ho Mpamonjiny manokana dia hahatsapa ny asa ataon'ny fahamarinana ho azy. Miasa ny finoan'izany olona izany. (...) Tsy haintsika ny mamorona finoana, saingy azontsika atao ny miara-miasa amin 'i Kristy eo amin'ny fampiroboroboana ny fitomboan'ny finoana sy ny fandreseny. - Ms 32, 1894. 

Ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana sy manadio ny fanahy no mitondra ireto vokatra ireto: fanetren-tena, faharetana, fahari-po, fahamoram-panahy, fiadanana, fifaliana ary fankatoavana an-tsitrapo. - L 4, 1889. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal