Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fizahan-toetra ny finoana

Daty
Alarobia 15 April 2026

 "Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin 'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. - Heb. 11:8 

Mofon’aina:
Nifidy an'i Abrahama ho mpitondra ny hafany Andriamanitra; tamin'ny alalany no nampitany fahazavana ho an'izao tontolo izao. Tonga taminy ny tenin'i Jehovah, tsy fampanantenana fahombiazana sy voninahitra eto amin'ity fiainana ity — karama be sy fankasitrahan-dehibe, na laza (...) Izao no hafatr'Andriamanitra tonga taminy: "Mandehana miasa amin 'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon 'ny rainao hankany amin 'ny tany izay hasehoko anao." - Gen. 12:1. Nankatò ilay patriarika (...) Nilaozany ny taniny, ny tranony, ny havany, ary ny fifandraisana mahafinaritra rehetra tamin'ny fahazazany, mba ho tonga vahiny sy mpivahiny. - TFC, b. 4, t. 523.

Azon' i Abrahama natao ny nanontany tena sy nisalasala ny amin'ny fikasan'Andriamanitra tao anatin ' izany. Nefa nasehony ny fitokiany tanteraka fa Andriamanitra no nitarika azy. Tsy nanontany izy raha toa tany lonaka sy mahafinaritra izany, na koa hanamora ny fiainany na tsia. Nandeha izy noho ny antson'Andriamanitra. Lesona ho antsika rehetra izany. (...)

Misy olona mety mitana toerana tsara (...) eo amin'ny lafiny rehetran'izao fiainana izao, nefa mety manana asa hataony any an-kafa Andriamanitra, asa izay tsy vitany teo anivon'ny havany sy ireo namany. (...) Hitan'Andriamanitra fa ny fiovan ny toerana misy azy sy ny fanirahana azy any amin'ny toeran-kafa tanteraka no mety indrindra mba hampivelarany toetra iray izay hanome voninahitra Azy. (...)

Rehefa mitoetra eo amin'ny toerana tsy misy afa-tsy fiadanana isika, dia tsy mahatsapa loatra ny filantsika ny hiankina amin'Andriamanitra isa-minitra. Noho ny fahatsarany no itondran'Andriamanitra antsika eo amin'ny toerana izay hahatsapantsika fa ilaintsika ny Fanampiany sy ny Heriny. (...)

 Voalaza fa niandrandra tanàna iray i Abrahama, tanàna izay Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao azy. (...) Toy izany koa isika. Mpivahiny sy vahiny ihany isika eto amin'ity tany ity. Mikatsaka ilay tanàna izay nandrandrain'i Abrahama isika, tanàna izay Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao azy. - Ms 19, 1886.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal