"Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, dia olony sy ondry fiandriny." - Sal. 100:3
Mofon’aina:
Namorona ny olombelona Andriamanitra ary nanome azy ireo ny fahaiza-manao rehetran'ny vatana sy ny fanahy ary ny saina. Novidin'i Jesôsy tamin'ny sandany lafo sy manan-danja lehibe izy ka tsy misy mahatoraka izany. Inona moa no azon'ny olona omena ka tsy efa ananan'Andriamanitra? Andriamanitra no nanome ireo fahaiza-manao ka ny asa rehetra ataon'ireo rantsam-batana dia Azy. (...) Ny fianaranao ny leson'ny fahalemem-panahy sy ny fietren'ny fo no hahatonga anao ho mpiombona amin'ny fijalian'i Kristy sy hahay mankamamy ny hatsaran'ny fiainan'i Kristy.
Izao ny vavaka tokony hataonao mandrakariva: "Hazony amin'ny Herinao aho; aza avela hibolisatra ny tongotro; aoka ny foko tsy ho feno drafitra feno hambom-po sy fanandrantan-tena (...) Ampio aho hianatra hanafoana ny izahoko mba handraisako ny fahasoavan'i Kristy sy hananako ny fitiavana izay nivavahan'i Kristy mba hananako (...). Aoka ny foko hanakaiky an'Andriamanitra mba handraisako ny Toetrany sy hitiavako ny rahalahiko. Ampio aho, Tompo, hahatsapa fa tsy mahay manao na inona na inona, izay marina sy madio aho, raha amin'ny heriko samirery." (...)
Tokony haka tahaka ny toetran'i Kristy ny tsirairay avy amintsika.
Hasehontsika amin'izao tontolo izao ve fa zanak'Andriamanitra isika, (...) mitondra voa tsara eo amin'ny fiteny sy ny lantom-peo, ary amin'ny fahalemem-panahin'ny fitiavana to hanavotra, ary maneho ny atao hoe mitandrina ny didin'Andriamanitra? (…)
Ny fahasoavana nomena antsika dia naloan'ny lanitra tamin'ny sandany tsy haintsika hotombanana. Izany fahasoavana izany no haren-tsarobidy indrindra ho antsika, ary tian'i Kristy raha hampitaintsika amin'ny hafa. (...) Fanehoana ny voninatr'Andriamanitra sy ny hajany izany, ka moa ye ny lehilahy na ny vehivavy mitonona ho mpivavaka hanova ny hevitr'izany fanomezana izany sy hanao tsinontsinona ny Mpanome ary hanolo azy amin-javatra hafa?- Ms, 182, 1903.