Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny feon'ny adidy

Daty
Zoma 07 August 2026

 "Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao"- Mpitt. 9:10

Mofon’aina:
Ny feon'ny adidy dia feon'Andriamanitra. Tokony hanao ny adidy tandrifintsika isika na mahafaly izany na tsy mahafaly. Raha asain'ny Tompo mitondra hafatra any Ninive isika, dia tsy ho sitrany ny hankanesantsika any Jopa na any Kapernaomy. Manana antony hanirahana antsika any amin'ny toerana iray Andriamanitra. (...)

Ny zava-madinidinika eo amin'ny fiainana no mampivelatra ny saina sy mamaritra ny toetra. Ireo izay manao tsirambina ny zava-madinidinika dia tsy voaomana hiatrika ny fitsapana mahamay rehefa tonga eo aminy izany. Tsarovy fa ny fanorenan-toetra dia tsy mitsahatra mandra-pahafaty. Isan'andro no itondrantsika biriky tsara na ratsy ao amin'ny rafitra. Ny fanorenana ataonao dia na mibilabila na mahitsy tsara ka ho tonga tempolin'Andriamanitra tsara tarehy. (...) Izay manao tsirambina ny zava-madinika nefa midera tena ka milaza fa vonona hanao zava-dehibe ho an'ny Tompo, dia tandindomin-doza hidaraboka.- RH, 29 Desambra 1910. 

Izay rehetra azon'ny tananao atao dia ataovy amin'ny herinao. Ataovy mahafinaritra ny asanao ka fenoy hira fiderana. Raha tianao ny hanana boky firaketana madio any an-danitra, dia aza mimonomonona na miteny mafy ny hafa. Aoka ho toy izao ny vavakao isan'andro: « Tompo o! Ampio aho hanao ny tsara indrindra. (...) Omeo hery sy fifaliana aho. Ampio aho haneho ny asa fanompoana feno fitiavan'ny Mpamonjy eo amin'ny fanompoako »

Raiso ho masina ny adidy tsirairay avy, na dia tsotra sy ambany aza, satria anisan'ny fanompoana an'Andriamanitra izany. Aoka tsy hisy na inona na inona hahatonga anao hanadino an'Andriamanitra. Aoka ho hita eo amin'izay rehetra ataonao i Kristy, dia ho feno fahazavana sy fankasitrahana ny fiainanao. Hanao ny tsara indrindra ianao, handroso amim-pifaliana amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, dia hameno ny fonao ny fifaliana avy Aminy.- L, 1, 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal