"Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany."- Mat. 5:5
Mofon’aina:
Toetra kristianina sarobidy ny fahalemem-panahy. Amin'ny fitondrana ny ziogan'i Kristy ihany no ianarana ny Fahalemem-panahiny sy ny Fanetren-tenany. (...)
Ny lanitra manontolo dia mijery ny tsy fisian'ny fahalemem-panahy sy ny fietren'ny fo. Ny fanandratan-tena sy ny fanambonian-tena no mahatonga ny olona hihevi-tena ho lehibe sy manan-danja ka tsy mila Mpamonjy ary tsy mila mitondra ny ziogan'i Kristy. Izao anefa ny fanasana miantefa amin'ny fanahy tsirairay: "Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo."- Mat. 11:29.
Ny herin'Andriamanitra dia miandry antsika hangataka azy. (...) Havaozina isa-maraina ary isan-kariva ny hery ara-panahy madio. Manandratra ny olona ambonin'ny faniriana araka izao tontolo izao izany ary mandroaka ny fitiavan-tena rehetra ao am-po. (...)
Nanimba fiainana maro ny fitiavan-tena sy ny fieremana. (...) Tsy mijery ny "izaho" intsony ireo izay mibanjina an'i Jesosy. Amin'ny masom-pinoana no ijereny Hay tsy hita. Mahita ny Mpanjaka ao amin'ny hatsaran-tarehiny ny masony ary hahatsinjo tany malalaka dia malalaka (Isa. 33:17). (...)
Vokatry ny asan'ny Fanahy Masina ny fileferana takin'i Kristy sy ny fampileferana ny sitrapo, izay manaiky ny fahamarinana ao amin'ny heriny manamasina ary mangovitra noho ny tenin'i Jehovah. Tsy maintsy mandalo amin'ny fiovana ny tena manontolo, ny fo, ny fanahy ary ny toetra. (...) Eo amin'ny alitaran'ny fahafoizan-tena ihany, ary avy eo an-tanan'Andriamanitra, no handraisan'ny olona tia tena sy mpierina ny fanilo avy any an-danitra, izay maneho ny tsy fahafahany manao na inona na inona ary mitarika azy hilefitra eo ambanin'ny ziogan'i Kristy ka hianatra ny Fahalemem-panahiny sy ny Fietreny.
Amin'ny maha-mpianatra antsika, dia ilaintsika ny mihaona amin'Andriamanitra eo amin'ny toerana voatendriny. Amin' izay no ametrahan'i Kristy antsika ho eo ambany fitarihan'ny Fanahy, Izy no mitarika antsika ho amin'ny marina rehetra sy mitaona antsika hampilefitra eo amin'i Kristy ny fiheverana ho mahavita tena. Izay teny eo am-bavan' i Kristy no ampitainy amin-kery lehibe amin'ireo fanahy mankato. Amin' izany no hanahafantsika Ilay Tompon'ny fahamarinana.- Ms, 94, 1899.