"Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an 'Andriamanitrao amin 'ny fanetren-tena."- Mika 6:8
Mofon’aina:
Ny fiainana mirindra sy araka ny sitrapon'Andriamanitra dia toy ny epistily velona, fantatra sy vakian'ny olona rehetra. Tsy amboamboarina ety ivelany na toy ny akanjo isalorana ny fahamarinana, fa mamirapiratra avy ao anaty. Raha mitoetra ao am-po ny hamoram-panahy, ny fahadiovana, ny fahalemem-panahy, ny fanetren-tena ary ny fahitsiana, dia hiseho eo amin'ny toetra izany; ary ny toetra toy izany dia feno hery. Tsy ny fitaovana no mahazo voninahitra, fa Ilay Mpanao asa lehibe izay mampiasa azy. Ny fo feno ny fitiavan'ny Mpamonjy dia mandray fahasoavana isan'andro mba hozaraina amin'ny hafa. Hita eo amin'ny fiainana ny herin'ny fahamarinana manavotra.
Toy izao ny fijoroana ho vavolombelona momba an'i Jesosy: "Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany."- Jao. 7:46. Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izay nataon' i Kristy satria tsy mbola nisy niaina araka ny fomba niainany. (...) Nisy hery nandresy lahatra tao amin'ny teniny, satria fo madio sy masina no nipoiran'izany, ary fitiavana, firaisam-po sy fahasoavana ary fahamarinana no nameno azy. (. ..)
(...) Raha manatanteraka ny asany ny mpanompon ' Andriamanitra manetry tena, dia misy anjely mijoro eo anilany, mihaino ny teniny ary mandinika ny fomba anaovany ny asany. (...) Raha mitoky amin'Andriamanitra mandrakariva izy, dia tsy hamela ny asany ho simba ireo anjely mpanara-maso ireo. (...) Ny Tompo dia mijery ny asa ataon'ny vahoakany. Hitsara ny asa tsirairay Izy mba hahitana ny toetr' izany asa izany.
Miteny ho azy ny fivavahana madio sy tsy misy pentina. Manova ny toetran'izay rehetra mandray azy izany, mahatonga azy hanasoa kokoa ny hafa (...). Tsy ny toerana iandraiketan'ny olona iray no mamaritra ny tombambidiny fa ny fiainany araka ny toe-tsain'i Kristy. Rehefa mitoetra ao am-po ny Mpamonjy, dia hita eo amin'ny asa atao ny dian-tanan'Andriamanitra. Takona ny "izaho," fa i Kristy no haseho ho maha-te ho tia avokoa.- L, 187, 1902.