"Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy."- Sa1.92:12
Mofon’aina:
Alao sary an-tsaina ny mpandeha sasatra iray, miezaka mama-kivaky ny fasika mafanan'ny tany efitra, tsy misy fialofana hiaro azy amin'ny hafanan'ny masoandro migaina. Lany ny tahirin-dranony (...). Maim ny lelany ary mivembena toy ny mamo izy. Mandalo ao an-tsainy ny sarin'ny ankohonany sy ireo havany, raha mihevitra izy fa efa ho faty. Tampoka eo anefa, dia tazany avy lavitra ny hazo rofia iray mitsangana eo afovoan'ny fasika mangadihady, maitso sady velona tsara. Velombelona indray ny fanantenany; mandroso izy, satria fantany fa ny hery sy ny fahavelomana ao amin'io hazo rofia io (...) dia afaka hanome azy aina vaovao indray.
Tahaka ny hazo rofia any an'efitra (...) no tokony hataon'ny Kristianina ho an'izao tontolo izao. Izy no tokony hitarika ireo fanahy sasatra sy feno ahiahy, izay efa ho faty any an'efitry ny ota, hankeo amin'ny rano velona. Izy no tokony hampitodika ny olona rehetra hijery Ilay manao ny fanasana hoe: "Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro." - Jao. 7:37
Na dia mihantona aza ny orana, ary mety hamely ny fakan'ny hazo rofia ny fasika mahamay ary handrakotra ny vatany, dia mbola ho velona hatrany ilay hazo, maitso sy matanjaka. Esory ny fasika dia ho hitanao ny tsiam-baratelon'ny fahavelomany: midina lalina any amin'ireo rano miafina any ambanin'ny tany ny fakany.
Toy izany koa ny Kristianina. Miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainP (...) Ny finoany dia tahaka ny fakany madinika amin'ny hazo rofia, izay midina lalina any amin'izay tsy hitan'ny maso ka mandray aina avy amin'ilay Loharanon'aina. Ary na dia eo anivon'ny fahalotoan'izao tontolo izao aza, dia marina sy mahatoky amin'Andriamanitra izy. (...)
Misoritra eo amin'ny endrik'ireo lehilahy sy vehivavy miara-mandeha sy miara-miasa amin'Andriamanitra ny fiadanan'ny lanitra. (...) Manana ny fifalian'i Kristy izy ireo — fifaliana avy amin'ny maha-fitahiana ho an'ny olombelona azy. Voninahitra ho azy ny aneken'ny Tompo hampiasa azy (...).-Wm, 5 Mey 1908 (ST, 6 Aogositra 1902).