Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asandratr’Andriamanitra ny manetry tena

Daty
Sabotsy 22 August 2026

 "Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra."- Lio. 14:11

Mofon’aina:
Manome voninahitra ireo izay mietry eo anatrehany Andriamanitra. Raha kivy noho ny fitarainana sy ny fimo-nomononan'ny vahoaka izay notarihiny ho any amin'ny tany nampanantenaina i Mosesy, dia nitalaho tamin'Andriamanitra mba homeny antoka ny amin'ny Fanatrehany (...). Ary hoy ny Tompo: "Ny Tavako no handeha, dia hanome anao fitsaharana Aho." Eks. 33:14.

Nahazo hery avy tamin'ny toky momba ny fanatrehan'Andriamanitra i Mosesy, nefa vao mainka izy nanakaiky kokoa no sady nangataka tamim-pahasahiana fitahiana ambony kokoa: "Mbo ampahitao ny voninahitrao aho."- and. 18. Tsy fahalianana tsy misy tanjona no nanaovan'i Mosesy izany fangatahana izany, hitany fa tsy mahay manao asa hankasitrahan' Andriamanitra izy raha amin'ny heriny samirery. Fantany fa raha mahita mazava ny voninahitr'Andriamanitra izy, dia afaka hanohy ny iraka lehibe napetraka taminy, tsy amin'ny heriny fa amin'ny herin'Ilay Andriamanitra Tsitoha. (...) Tsy fitiavan-tena no nanosika an'i Mosesy hangataka ny hahita ny voninahitr'Andriamanitra; faniriana ny hanome voninahitra bebe kokoa ny Mpanao azy no hany tao anatiny.

Fantatr'Andriamanitra ny fisainana sy ny fikasan'ny fontsika, ary takany ny antony nanosika ity mpanompony mahatoky hanao izany fangatahana izany. (...) "Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana."- Eks. 34:6.

Nanana fanetren-tena marina i Mosesy, ary nankasitraka azy ny Tompo tamin'ny fampisehoany taminy ny Voninahiny. Toy izany koa no hanomezany voninahitra izay rehetra manompo Azy amin'ny fo tsy misy tsiny, tahaka an'i Mosesy. Tsy takiany ny hiasan'ny mpanompony amin'ny herin'izy ireo samirery. Izy no hanome ny fahendrena ilain'ireo izay manana fo mietry sy torotoro. (...) Tsy misy eto amin'izao tontolo izao afaka manisy ratsy ireo olona omem-boninahitra amin'ny firaisany ety amin'Andriamanitra. Mety hihorohoro ny tany, ary mety hihozongozona ireo andry mihazona izao tontolo izao, nefa tsy misy tokony hatahorany.- RH, 11 Mey 1897. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal