Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asa be voninahitra nomena antsika

Daty
Sabotsy 29 August 2026

"Mihira ho an 'i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan 'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly. Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony."- Sal. 96:2, 3

Mofon’aina:
Ambony sy sarobidy ny asa lehibe sy be voninahitra napetraka hataontsika: ny handray anjara amin'ny draft-pamonjena. Tsy haintsika faritana ny hasarobidin'izany. Asaina mandeha amim-pinoana isika, ary raha miezaka (...) manakatra ny fidadasiky ny drafi-pamonjena isika, dia manana tombontsoa ny hiara-mivavaka amin'ny apostoly Paoly mba hahaizantsika "mbamin 'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny."- Efes. 3:18. Asandrato ilay Lehilahin'i Kalvary. Aoka ianao hisaintsaina momba ireo fahatsaran'ny toetrany mandra-pahatonga anao ho voaova araka ny Endriny noho ny fibanjinana Azy. Ny fiainam-pivavahana sy ny fiainam-pinoana no hitarika antsika hanao fiderana ho Azy sy hiresaka momba ny Heriny. (...)

Ny fiovam-po marina dia mampiray ny fontsika amin'ny finoana sy ny fitiavana. Hampianatra antsika hifikitra ma& amin'ny fitokiana amin'Ilay hany fanantenantsika izany. Amin'ny alalan'ny fiovam-po no hanakambanana ny fahalementsika amin'ny herin'Andriamanitra, ny tsy fahalalantsika amin'ny Fahendreny, ny maha-tsinontsinona antsika amin'ny Fahamendrehany, ny fahantrantsika amin'ny Hareny tsy hita fetra (...).

Tsy maintsy mandinika ny Tenin'Andriamanitra isika (...). Ny fanetren-tena, izay toe-tsain'i Kristy, no hanampy antsika hahafantatra Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.

Raha ampiharintsika eo ar ';i'ny fiainantsika andavanandro ara.,a ny tokony ho izy ny fahamarinana, dia hitombo hatrany isika, ka hahazo fahatakarana mazava kokoa hatrany momba ny fanambaran'Andriamanitra. Hanandratra Azy amin'ny hira fiderana isika. Izao no ambaran'i Kristy amin'ny alalan'ilay mpanao Salamo: "eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao."- Sal. 22:22. Ny Feony no fototra niorenan'izao rehetra izao. Ny heriny tsy voafetra, ny fahendreny tsy takatry ny saina, ary ny sorona mahatalanjona nataony ho an'ny taranak'olombelona dia manampy antsika hahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. Ilain'ny tsirairay avy amintsika ny hitoerany ao am-po. Ilaintsika ny hanokatra ny saintsika sy ny fontsika mba hitoeran'ny Fanahin'ny fahamarinana. Ilaintsika ny mankasitraka ny tombontsoa omena antsika amin'ny maha-mpitahiry ny fahamarinana masina sy ambony antsika. Saintsaino ny dikan'izao ho antsika: mpandova an'Andriamanitra ary mpiara-mandova amin'i Kristy!- L, 28, 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal