Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny anton'ny fakam-panahy

Daty
Talata 01 September 2026

"Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany, " - 1 Kok 10:13.

Mofon’aina:
Inona no atao hoe fakam-panahy? Io dia fitaovana izay isedrana sy izahan-toetra ireo izay mitonona ho zanak'Andriamanitra. Voalaza fa nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra, ary nizaha toetra ny zanak'Isiraely. Midika izany fa namela toe-javatra hitranga Izy mba hisedrana ny finoan' izy ireo sy hitarihana azy hitodika any Aminy mba hahazoany fanampiana. Mamela ny fakam-panahy ho tonga amin'ny vahoakany Andriamanitra ankehitriny mba hahatsapan'izy ireo fa Izy no mpanampy azy. Raha manatona Azy izy ireo rehefa alaim-panahy, dia hohatanjahiny mba hahatohitra ny fakam-panahy. (...)

Ho fizahana ny toetrantsika mandritra ny androm-pahasoavana ny fakam-panahy. ( …) Hihanjahanja ny ao am-pontsika. Tsy fahotana ny iharan'ny fakam-panahy, fa tonga kosa ny fahotana rehefa lavo amin'izany isika. (...)

Voamarina ny fankatoavan'i Abrahama an'Andriamanitra rehefa niara-dalana tamin'i Isaka izy, ho setrin'ilay baiko hoe: f(Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin'ny tany Maria; ary atero any izy ho fanatitra dorana (...)» - Gen. 22:2.

Navela hijaly i Joba, nalaim-panahy mafy, nefa tsy nanonona na dia teny iray aza hanohitra an'Andriamanitra. Naka fanahy an'i Kristy tamin'ny fomba rehetra ireo mpanora-dalana sy Fariseo, izay nampirisihin'i Satana, nandritra ny fiainany teto an-tany. Nefa tsy navelany na oviana na oviana hitarika Azy hiala amin'ny lalan'ny fankatoavana ireny fakam-panahy ireny. (...)

Mampianatra antsika ny ohatra nasehon'i Kristy fa ny hany fanantenantsika hahazoana fandresena dia ny fanoherana tsy tahaka ny famelezan'i Satana. Mahafantatra ny herin'i Satana amin'ny taranak'olombelona Ilay nandresy ny fahavalon'ny fanahy tamin'ny ady tamin'ny fakam-panahy, ary efa nandresy ho antsika Izy. Amin'ny maha-mpandresy Azy, dia nomeny ho tombony ho antsika ny fandreseny, mba hahafahantsika mampiray ny fahalementsika amin'ny heriny, ary ny maha-tsinontsinona isika antsika amin'ny fahamendrehany, eo am-piezahantsika hanohitra ny fakam-panahin'i Satana. (...) Dia hahatohitra izany amin'ny Anarany tsitoha isika, ary handresy tahaka ny nandreseny. —ST, 12 Marsa 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal