Miresaka fohifohy momba ny vatana hatsangana amin'ny maty io Paoly ao amin'ny 1 Kor. 15:35-39. Fanontaniana roa no anombohany izany: "Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?"- 1 Kor. 15:35. Ao amin'ny 1 Kor. 15:36-49 no ahitana ny valin'ireo fanontaniana ireo.
Vakio ny 1 Kor. 15:36-41. Ahoana no amalian'ireo andalan-teny ireo ny fanontaniana ao amin'ny 1 Kor. 15:35?
Mampiasa fanoharana telo i Paoly mba hanampiana ny mpamaky hahatakatra izay mitranga amin'ny fitsanganan'ny maty. Ny fanoharana voalohany (1 Kor. 15:36-38) dia milaza fa ny tena dia tahaka ny voa izay tsy maintsy maty aloha (na tsy mitoetra ho voa intsony) mba hahatonga azy ho zava-maniry amin'ny fomba mahagaga. Mazava izany fampianarana izany: fahagagana ataon'Andriamanitra ny fitsanganana amin'ny maty. Faharoa, ny fanoharana momba ny nofo samihafa (1 Kor. 15:39, 40) dia manasongadina fa eto amin'ity tontolo ity dia nomen'Andriamanitra tena samy hafa ny biby sy ny olona arakaraka ny tontolo iainana misy azy. Tahaka izany koa, ny tenantsika dia hatao mifanaraka amin'ny toe-javatra vaovao any amin'ny tontolon'ny lanitra. Velabelarina kokoa izany hevitra izany ao anatin'ny fanoharana momba ny tenan'ny voninahitra (1 Kor. 15:40, 41), izay manasongadina fa ny voninahitry ny vatana hatsangana amin'ny maty dia mihoatra lavitra noho ny vatana mialoha izany, izay nandairan'ny fahalavoana teto an-tany.
Izany hevitra izany dia azo jerena ihany koa amin'ny alalan'ny fampitahana efatra atao amin'ny tenantsika eto an-tany amin'izao fotoana izao sy ny tenantsika rehefa hatsangana amin'ny maty. Ilay voalohany dia an'ny tany, mety lo, malemy ary araka ny fomban'aina. Etsy ankilany kosa, ilay faharoa dia tenan'ny any an-danitra, tsy mety lo, mahery ary araka ny fombam-panahy (1 Kor. 15:40-44). Tsy midika anefa izany fa tsy misy fifandraisana eo amin'ireo tena roa ireo. Ny fampiasan'i Paoly ny teny grika sõma ("vatana") ho an'ilay vatana nalevina sy ho an'ilay vatana hatsangana dia maneho fa tsy foana ny maha-izy ilay olona teo aloha. Etsy andanin'izany anefa, dia mampiseho koa ireo toetra 4 mifanohitra etsy ambony fa misy ny fiovana: ny tenantsika vaovao dia tsy hitovy amin'izay mety lo ananantsika amin'izao fotoana izao, isaorantsika ny Tompo indrindra izany.
Ny filazan'i Paoly hoe "araka ny fombam-panahy" dia tsy manondro ny tsy fisian'ny vatana azo tsapain-tanana tsy akory. Ambarany any amin'ny boky hafa fa hovan'i Jesôsy "ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny."- Fil. 3:21. Araka izany, dia hanana vatana azo tsapain-tanana isika, saingy tsy mety simba na lo izany. Koa satria izay hany fantatsika amin'izao dia fahalovana sy aretina ary fahafatesana, dia sarotra amintsika ny maka sary an-tsaina ny fiainana tsy misy ireo rehetra ireo, kanefa izany no ampanantenaina antsika ao amin'i Jesôsy .
Ny fahazoana antoka fa hovana ho tonga lafatra ny tenantsika dia manampy antsika haharitra manoloana ny maha-voafetra ny tenantsika ankehitriny, amin'ny fomba ahoana?