Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 21 August 2026

Fianarana fanampiny:

"Fanafahana ny vahoakan'Andriamanitra", HM, toko faha-40.

"Ny maha-Andriamanitra an'i Kristy no antoky ny fiainana mandrakizay ho an'ny mpino. 'Izay mino Ahy, hoy Jesôsy, na dia maty aza, dia ho velona indray ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?' Eto Kristy dia mibanjina ny fotoana hiaviany fanindroany. Amin'izay dia hitsangana tsy ho lo intsony ny marina, ary ny marina velona dia hafindra ho any an-danitra tsy hahita fahafatesana. Ny fahagagana izay efa hataon'i Kristy, amin'ny fananganana an'i Lazarosy amin'ny maty, dia hampiseho ny fitsanganan'ny marina rehetra amin'ny maty."- IFM, t. 567.

"Nihovitrovitra tamin-kery ny tany rehefa niantso ireo olona masina mbola natory ny feon'ny Zanak'Andriamanitra. Namaly ilay antso izy ireo ary nandroso, nitafy tsy fahafatesana be voninahitra, niantso hoe: 'Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana 6, aiza ny fanindronanao?' (Vakio ny 2 Kor. 15:55). Rehefa izany, ireo olona masina velona sy ireo olona vao natsangana dia nanandratra ny feony tao anatin'ny fihobiam-pandresena nitohy hatrany hatrany. Ireny vatana nidina tany am-pasana nitondra ny mariky ny aretina sy ny fahafatesana ireny dia nitsangana niaraka tamin'ny fahasalamana sy tanjaka tsy mety maty intsony. Novana tao anatin'ny fotoana fohy ny olona masina, ary tao anatin'ny indray mipi-maso dia nakarina niaraka amin'ireo izay vao natsangana, ary niara-nitsena ny Tompony teny amin'ny habakabaka izy ireo. Endrey izany fihaonana be voninahitra! Tafaray ireo namana nosarahin'ny fahafatesana ary tsy hisaraka intsony."- TF, t. 409.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

1. Eritrereto ny amin'ireo vavolombelon'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty (Asa. 1:22; Asa. 2:32; Asa. 3:15; Asa. 4:33; Asa. 5:30-32). Ahoana no mahatonga antsika ho "vavolombelon’ny fitsanganany koa, roa arivo taona aty aoriana?

2. Mandrafitra manontolo ny hafatry ny filazantsara ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty (1 Kor. 15:1-4). Raha tsy misy ny fitsanganan'ny maty, dia ho zava-poana ny fitoriana ny fahafatesan'ı Kristy (1 Kor. 15:14). Na ny fahafatesan'i Kristy aza dia ho zava-poana koa. Nahoana? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny herin'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty?

3. Saintsaino ny fanambarana mahaliana nataon'i Paoly: "Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty."- 1 Kor. 15:32. Inona no tiany hambara amin'izany?

4. Resaho ao amin'ny kilasy ny amin'ny toetry ny maty. Nahoana no tsy misy heviny ny 1 Kor. 15 raha toa ka miakatra any an-danitra avy hatrany ny olona rehefa maty?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal