Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay vatosoa sarobidy

Daty
Talata 07 May 2024

"Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vato soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy." - Mat. 13:45,46.

Mofon'Aina:   
Maneho ny haren-tsarobidin'i Kristy io vatosoa io, izay tahaka ny volamena nafenina tany an-tsaha. Ao amin'i Kristy no ahitana izay rehetra ilaintsika amin'izao fiainana izao, sy izay hahatanteraka ny fifaliantsika any amin'ilay fiainana ho avy. Tsy hahavidy ny fiadanana sy ny fitsaharana ary ny fitiavana izay natolotra ho fanomezana ny vola rehetra eto amin'izao tontolo izao. Atolotra antsika ao amin'i Kristy amin'ny alalan'ny finoana ireo. Tsy azontsika atao ny hividy izany any amin'Andriamanitra; tsy manana na inona na inona mety hahavidy izany isika. (...)

Toy ny ahoana ary no fividianana ilay harena mandrakizay? Tsotra ihany, amin'ny famerenana amin'i Jesôsy izay Azy sy ny fandraisana Azy ao am-po amin'ny alalan'ny finoana. Fiaraha-miasa amin'Andriamanitra izany, fitondrana ny ziogan' i Kristy, ary fitondrana ny entany. (...) Napetrak'i Jesôsy Tompo ny satroboninahitra maha-Mpanjaka Azy, nilaozany ny toerana maha-Komandy ambony Azy ka nosaronany ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra, mba hahafahany manandratra ny taranak'olombelona amin'ny alalan'ny maha-olona Azy. Tsapany loatra ny tombambidin'ny taranak'olombelona ka tonga Mpisolo ny olona Izy ary koa antoka ho azy ireo. (…)

 I Kristy ilay fanati-panavotana. Nilaozany ny voninahitry ny lanitra sy ny hareny rehetra, navelany ny hajany, tsy ny hamoronany fitiavana ny olombelona sy fahalianana momba azy ireo ao am-pon'Andriamanitra fa ny hanehoany ny fitiavana izay efa nisy rahateo tao am-pon'ny Ray. (...) Naloan'i Jesôsy ny sandan'ny Hareny rehetra, noraisiny ny maha-olombelona, ka nidina ho amin'ny fiainana feno fahantrana sy fanetren-tena Izy, mba hitadiavany sy hamonjeny izay very.

 Amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy no hanomezana hery sy fahamatorana antsika, mba hahatonga antsika ho tanteraka ao Aminy na dia tsy tonga lafatra aza isika izao. Nanao antoka fly tenantsika tamin'i Satana isika, fa tonga kosa i Kristy mba handoa ny onitra sy hanavotra antsika. Tsy misy na inona na inona azontsika vidina any amin'Andriamanitra. Fa amin'ny fahasoavana irery ihany, izay fanomezana maimaimpoana (...), no amonjena antsika. - TMK, t. 83. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal