Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHAZAVANA AVY AO AMIN'NY FITOERANA MASINA 

Daty
Sabotsy 18 May 2024

SABATA HARIVA 
Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 25:8, 9, 40; Heb. 8:1-6; Lev. 16:21, 29-34; Lev. 23:26-32; Heb. 9:23-28; Dan. 7:9, 10; Mat. 25:1-13; Apôk. 11:19. 

Tsianjery:  "Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan’ny Avo lndrindra any an-danitra, Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny Fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo fa tsy olona. Heb.8:1,2.

Fotoana fohy taorian'ny fahadisoam-panantenan'ny 22 Oktôbra 1844 dia nahatakatra ny fahadisoany ny sasany tamin'ireo Milerita rehefa nivavaka sy nandalina. Tsy mahakasika ny fiavian'i Jesôsy fanindroany araka ny ahatakarantsika izany ankapobeny ny faminaniana momba ny 2300 andro fa maneho ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, aseho amin'ny fomba mahery vaika ao amin'ny bokin'ny Hebreo.

Ny fanadiovana ny Fitoerana Masina any an-danitra no fahatanterahan'ny fanadiovana ny Fitoerana Masina teto an-tany araka ny ampianarin'ny Levitikosy. Mba hahatakarana bebe kokoa io fahamarinana lehibe io dia andeha hodinihintsika ny fitoviana misy eo amin'ny Dan. 7 sy ny Dan. 8: 

Dan. 7                                                                Dan. 8 
Babilona                                              ———
Medianina sy Persianina                  Medianina sy Persianina 
Grika                                                   Grika 
Rôma                                                   Rôma 
Fitsarana any an-danitra                  Fanadiovana ny Fitoerana Masina 

Ireo fitoviana ireo dia manampy antsika hahatakatra ny tena toetry ny fanadiovana ny Fitoerana Masina, izay fitsarana famotopotorana lehibe mialoha ny fiavian'i Jesôsy. Ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity no handinihantsika ny fahamarinana ara-Baiboly miankina aman'aina momba ny asan'i Kristy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal