Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiainana feno hery

Daty
Alahady 12 May 2024

"Isika tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina , ka tsy mahazo miasa ny olona." - Jao. 9:4

Mofon'Aina:
Ny fiainana kristianina dia tsy fanehoana fahalemem-panahy, sy fahari-po, fanetren-tena ary fahamoram-panahy fotsiny ihany. Mety hanana ireo toetra tsara sy sarobidy ireo ny olona iray kanefa malemy sy ketraka ary saika tsy mahasoa rehefa mihasarotra ny asa. Tsy manana fijery miabo sy tanjaka ny olona toy izany, tsy ananany ny toetra hentitra sy mijoro izay hahafahany manohitra ny ratsy sy hanao ny raharahan'Andriamanitra amin-kery.

I Jesôsy  no ohatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra (...). Tamin'ny fahazazany no nanombohany ny fiainany tamin'ny fanampiana ny hafa. Nanao ny "raharahan'ny Rainy" Izy tamin'ny faharoa ambin'ny folo taonany (...). Nohamaivaniny ny fahorian'ireo izay nanatona Azy fa tsy mba nolaviny izy ireo. Fantany ny fo tsirairay ary fantany izay tokony hatao hanomezana izay ilain'izy ireo. Teny feno fitiavana no niloatra teo imolony mba hampahery sy hanohana ary hitondra fitahiana; ary nataony teo anoloan'ireo vahoaka maro tamin'ny alalan'ny teny tsotra mba ho takatry ny rehetra ny fitsipika lehiben'ny fanjakan'ny lanitra.

Mpiasa tsy tia tena ary tsy nisehoseho i Jesôsy. Tsy nitady laza na harena na koa fandokafana Izy, na koa nikatsaka izay mahafinaritra Azy. (...) Tsy mba nihalangalana tamin'ny fiahiana sy ny andraikitra tokony hatao Izy, tahaka izay ataon'ny ankamaroan'ireo mitonona ho mpanara-dia Azy. (...)

Vaovao isa-maraina ny fitakian'i Kristy ny fanompoantsika. Na toy ny ahoana aza ny fahatanterahan'ny fanoloran-tenantsika fony isika vao nova fo, dia tsy hahasoa ho amin'ny inona na inona izany raha tsy havaozina isan'andro. Ny fanoloran-tena amin'ny fotoana ankehitriny kosa no vaovao sy Lena izy ary ankasitrahan'Andriamanitra. Tsy manana herinandro na volana maro hipetrahana eo an-tongotr'i Jesôsy isika; tsy antsika ny ampitso satria tsy mbola nomena antsika, fa azontsika atao kosa ny hiasa ho Azy anio. Azontsika atao anio ny hamelatra eo anoloany ny drafitra sy ny tanjontsika ka miandry ny fijereny sy ny fanekeny izany. (...) Andron'i Jehôvah izao, ary mpanompo izay nantsoiny ianao. - TMK, t. 155. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal