Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jesôsy, ilay zava-drehetra ho antsika 

Daty
Alatsinainy 13 May 2024

"Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesôsy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika." - 1 Kôr. 1:30.

Mofon'Aina:
Ny fitomboana amin'ny fahalalana ny toetran'i Kristy no manamasina ny fanahy. Manova ny olona izay misaintsaina ny amin'ny drafi-pamonjena ny fibanjinana sy ny fankasitrahana ny asa fanavotana mahatalanjona. Rehefa mibanjina an'i Kristy izy dia manjary manahaka Azy, avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra (...). Tonga dingana manandratra sy manamboatra azy ny fibanjinana an' i Jesôsy. (...) Ny hanana ny fahatanterahan'i Kristy no fanirian'ny Kristianina. (...) Aoka hisaintsaina momba an'i Kristy mandrakariva. Izao no ambaran'ny anjely momba Azy: "ary ny anarany hataonao hoe Jesôsy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." - Mat. 1:21. Jesôsy, Mpamonjy sarobidy! Ao Aminy no misy toky sy fanampiana, fiarovana ary fiadanana. Izy no mpandroaka ireo fisalasalantsika rehetra, ilay fanantenantsika lehibe indrindra. Endrey, mamy loatra ny fieritreretana fa azontsika atao ny ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra, ary azontsika atao ny mandresy tahaka izay nandresen'i Kristy! I Jesôsy no fahatanterahan'ny fanantenantsika. (...) Izy no rano velona ho an'ny fanahy mangetaheta. Izy no Fialofana rehefa mifofofofo ny tafio-drivotra. Izy no fahamarinantsika, fanamasinana ary fanavotana antsika.

Ny herin'i Kristy no tokony ho fampaherezana, fanantenana, satroboninahitry ny fifalian' izay rehetra manaraka an'i Jesôsy eo amin'ny ady sy ny tolona atrehiny eo amin'ny fiainana. Izay manara-dia marina ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao dia afaka ny hihiaka toy izao raha eo am-pandrosoana: "ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika." - 1 Jao. 5:4.

Finoana toy ny ahoana moa no mandresy an'izao tontolo izao? Finoana izay manao an'i Kristy ho Mpamonjin'ny tenanao manokana izany - finoana izay miaiky ny tsy fahafahana manao na inona na inona sy ny tsy fahafahana mamonjy ny tena (...), ka mifikitra amin' ilay Mpanampy manana hery hoenti-mamonjy ho hany fanantenany. Finoana izay tsy mety sasatra izany, izay mandre ny feon'i Kristy manao hoe: "Mahereza, efa nandresy izao tontolo izao Aho, ary anao ny Heriko." (...) "Indro Aho momba anareo mandrakariva." - TMK, t. 166. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal