Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahafantatra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asany

Daty
Sabotsy 01 June 2024

"Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin 'ny asany rehetra. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao." - Sal. 145:9,10. 

Mofon'aina:
Tiantsika ery ny mandinika ny toetran'Andriamanitra sy ny   fitiavany ao amin'ny asan'ny tanany. Porofo lehibe nomeny ny zanak'olombelona ny amin'ny heriny sy ny fitiavany amin'ny maha-Raintsika Azy izany! Noravahany tsara tarehy ny lanitra, ary ny tany kosa nataony miezinezina sy kanto.

"Jehôvah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! Nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. (...) Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? " "Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao. " — Sal. 8:1,3,4; 145:10.

 Raha toa ka natao mitovy tantana sy fisaka tanterka avokoa ity tanintsika ity dia ho  namizana ny maso sy nahatofoka ny saina izany. Fa noravahan'Andriamanitra tendrombohitra sy havoana ary lohasaha maro ny tany. Ary na ny granita miranirany, na ny tendrombohitra sola, na ny tendrombohitra anirian'ny alan-kesika sy ny ahi-maitso, na ny lohasaha feno zava-maniry milenodenoka mahafinaritra; ireo dia manome endrika kanto ny tanintsika. Hita hatraiza hatraiza ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny heriny. (...) Tsy mba mahatsiaro ho manirery na oviana na oviana aho eo am-pandinihana ny hafatratry ny zavaboary. (...) Feno fanajana sy talanjona aho mahita ny hantsana lalina sy ny tampon-tendrombohitra rakotra oram-panala.

Tokony hataontsika sekoly hianarantsika momba ny toetran'Andriamanitra ao amin'ny zavaboariny ireny tendrombohitra sy havoana ary lohasaha ireny. Na ireo voatanisa ireo, na ny hazo, na ny voninkazo, hatramin'ny ravin-kazo sy ny ahitra tsirairay, dia tokony hampianatra antsika ny amin'ny fahaizan'Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny heriny tsy hita fetra.

 Tsy hahatsiaro ho manirery velively izay mandinika ny zavaboary. Mankamamy ireo ora mangina fisaintsainana izy ireo; tsapany mantsy fa voataona hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny fomba ety indrindra izy ireo eo am-pibanjinana ny herin'Andriamanitra ao amin'ireo voary noforoniny. — HP, t. 9.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal