Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifidianana avy any an-danitra

Daty
Alatsinainy 03 June 2024

 "Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." — 2 Pet.1:10. 

Mofon'Aina:
Io ihany no karazana fifidianana  resahina ao amin'ny Baiboly. Mety ho tonga mpiray fomba amin'Andriamanitra sy hahazo fahalalana mihoatra lavitra noho ny an'ny siansa rehetra isika na dia lavo tao amin'ny fahotana aza. Amin'ny fandraisantsika anjara amin'ny nofo sy ny ran 'ny Tompontsika nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana dia ho azontsika ny fiainana mandrakizay. Izao no voalaza ao amin'ny Jao. 6:54,63: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. (…) Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." 

Tsy misy olona voatery ho very anjara tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana ireo izay mifidy ny hianatra isan'andro amin'Ilay Mpampianatra avy any an-danitra. 

(...)"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay, fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an 'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." - 2 Pet 1:10,11.

 (...) Toky sy fanantenana manao ahoana re izany! Aoka hambarantsika tsy tapaka amin'izao tontolo izao fa mikatsaka ny tsara lavitra isika, dia ny any an-danitra. Natao ho antsika ny lanitra ary maniry hanana anjara amin'izany isika. Tsy misy na inona na inona azontsika avela hampisaraka antsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra. Eto amin'ity fiainana ity no tsy maintsy ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra isika. Ranadahy sy rahavavy isany, fiainana tokana ihany no ananantsika. Aoka re izany mba ho fiainam-pahendrena, miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra! 

Mila miray saina sy mifanampy isika mba hanatrarantsika ny fahatanterahan-toetra. Amin'izany dia aoka hatsahatra izay rehetra mety ho fitsikerana. Afaka mandroso ho amin'ny fahatanterahana hatrany isika mandra-panokafana midanadana eo anoloantsika ny fanjakan'ny lanitra ho antsika. - HP, t. 29. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal