Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana
  2. Archive mensuelle

November 2024

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Tsy mandray Ilay loharanon’ny Fiainana

Hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny sasany amin'ireo tantara mam-palahelo indrindra ao amin'ny Soratra Masina: "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. (...) Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy." - Jao. 1:5, 10, 11. Nolavin'ny maro tamin ireo olony Ilay "Izaho, izay Izy".

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Mino ary ateraka indray

Vakio ny Jao. 1:12,13. Inona avy ireo dingana ho amin'ny fahatongavana ho Kristianina voalaza eto?

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Ny tenin’ny fiainana mandrakizay

Vakio ny Jao. 6:61-68. Inona no nolazain'i Petera rehefa nanontany ireo mpianany | Jesõsy raha te handao Azy koa izy Ireo. Inona no hevitry ny teny nambaran'l Petera?

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Izy no nisiam-piainana

Ambaran'ilay apôstôly mazava ao amin'ny Jao. 1:1 fa Andriamanitra i Jesôsy, Zanak’Andriamanitra Izy. Araka izany, ny fiainana ao amin'ny hoe "Izy no nisiam- piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona" Jao. 14, dia manondro ny fiainan’Andriamanitra amin'ny maha-mandrakizay Azy. Noho ny fananany ny fiainana, dia azony atao ny manolotra ny Ainy sy mandray izany indray (Jao. 10:17). Ary noho ny fananany fiainana ao Aminy, dia azony atao ny manome fiainana ho an'izay tiany (Jao. 5:21; ampitahao amin'ny Jao. 14:19).

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Fampidirana

Hodinihana mandritry ny herinandro : Jao. 1:4; Jao. 10:10; Jao. 1:12, 13; Jao. 6:61-68; Nom. 13:23-33; Mat. 4:1-4.

Tsianjery: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." - Jao. 14:6

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fianarana fanampiny

Vakio ny IFM, toko 73: "Aza malahelo ny fonareo".

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Avy aty ambany

Hitantsika ao amin'ny lesontsika hatreto fa asehon'i Jaona ho Ilay Mesia nampanantenaina i Jesôsy, Ilay nantenain'ny vahoaka jiosy sy nandrasany hatry ny ela.

Nanjary fahavalony lehibe indrindra anefa ny ankamaroan'ireo mpitondra fivavahana, dia ireo mpitarika ny vahoaka ara-panahy. Nahoana?

Vakio ny Jao. 8:12-30. Inona ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana eto? Inona avy ireo andinin-tSoratra Masina manazava tsara indrindra ny antony mahatonga ny maro handà Azy?

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fizarana 2

Hoy i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana: "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy" - Jao. 5:39. Fanambarana sahy tokoa izany, izay nilazany ny Tenany!

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fizarana 1

Nohamafisin'i Jesôsy ny fahefan'ny Soratra Masina tao anatin'ny adihevitra iray nifanaovany tamin'ireo mpitondra fivavahana. Raha dinihina vetivety dia toa tsy ilaina ny hanaovany izany satria efa nino ny Soratra Masina rahateo ireo mpitondra fivavahana ireo. Saingy tian'i Jesôsy ny hanasongadina ny fahefan'ny Soratra Masina, na dia amin'izy ireo aza, mba hanehoana aminy hoe Iza moa Izy na toy inona na toy inona hamafin'ny fony, na manohitra mafy aza izy ireo andrao ho resy lahatra.

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Ny fahefan’ny Soratra Masina

Ankoatra ireo famantarana manokana sy fanambarana resahin'i Jaona mba hanehoana ny maha-Mesia an'i Jesôsy , dia nampiasainy koa ny fahefan'ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha sy ny faminaniana ao anatiny, izay nanambara mialoha ny asan'i Kristy. Manan-danja lehibe ny Testamenta Taloha, tsy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ihany fa ao amin'ny Testamenta Vaovao manontolo. Ny mombamomba an'i Jesôsy , Iza Izy? Avy aiza? Inona no nataony? Ary inona no hataony? - izany dia voamarina ao amin'ny Soratra Masina avokoa, izany hoe ny TT raha ny tontolon-kevitra eto.

Pagination

  • Previous page
  • 6
  • Next page

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

Pagination

  • Previous page
  • 5
Powered by Drupal