MOSARY TANY AMIN'NY "TRANON'NY MOFO"
Matetika ireo mpitsikera ny finoana kristianina no manondro ny toe-javatra feno herisetra eo amin'ny fiainana eto amin'ity tontolo ity ho porofo fa: (a) tsy misy Andriamanitra, na koa (b) tsy manan-kery hoenti-misalovana Izy rehefa mitranga ny toe-javatra ratsy, na (d) tsy rototra Izy rehefa azom-pahoriana isika. Maro amin'ireo tantara ao amin'ny Baiboly anefa no mitondra porofo marobe izay maneho fa tsy misy marina ireo fiheverana ireo. Avelan'Andriamanitra mijinja ny vokatry ny fikomiany Aminy tokoa ny taranak'olombelona, nefa eo mandrakariva Izy, miasa ao amin'ny tantara, mitantana antsika handroso ho amin'ny famahana faratampony ny olan'ny fahotana sy ny fahoriana, ary ataony ao anatin'ny fanajana ny safidy malalaka ananantsika izany. Ny tantaran'i Rota no maneho izany ohatra izany.
Vakio ny Rota 1:1-5. Inona ireo zava-tsarotra nianjady tamin'i Naomy sy i Rota, ary inona no nahatonga izany? Ahoana no anehoan'izany taratra ny toe-javatra atrehin'ny taranak'olombelona iray manontolo ankehitriny?
Misy toe-javatra toa maneso ao amin'ny fampidirana ity tantara ity: nisy mosary tany Betlehema, tanana iray izay manana anarana midika hoe: "tranon'ny mofo." Mampahatsiahy ny zavatra marobe hita tao Edena izany, raha nilaza tamin'i Adama sy i Eva Andriamanitra hoe: "Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany" - Gen. 2:16. Tao anatin'ny harena no niantombohan'ny fisian'ny taranak'olombelona, teo ambany fiahian'ilay Mpamorona malala-tanana, saingy natakalon'izy ireo ny fanandevozan'ny fahotana ny toerany amin'ny maha-mpitandrina ny zavaboary azy. Hoy i Jehôvah tamin'i Adama: "Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray hianao." Gen. 3:19.
Tahaka an'i Naomy, isika koa dia namoy ny lova rehetra izay nokasain Andriamanitra ho antsika tany am-piandohana, ary nanjary zava-tsarotra ny fiainantsika. Natolotra ho fanomezana i Edena, saingy nisy fepetra izany: nanana fahalalahana ny hikomy ny olombelona nefa midika izany fa izy no tsy maintsy handray andraikitra momba ny fiainany. Tany am-piandohana, isika dia nokendrena "hampanompo" ny tontolo iray manontolo izay tsy lavo, teo ambany fitahian'Andriamanitra; izao anefa dia tontolo iray lavo no anjakantsika. Miteraka aretim-po sy fahoriana ny fifandrafian'ny olombelona tia tena noho ny amin'ny harem-bitsy sy voafetra.
Tsy hay lazaina ny toe-javatra mahonena: mbola mamokatra be hatrany ny tany, fanehoana miezinezina ny fitiavan'Andriamanitra izany. Eo anatrehan'ny fimatimatesan'ny olombelona amin'ny harena sy ny fandravan'ny fahotana anefa dia toa isika indray no ampanompoan'ny tany fa tsy manjaka aminy tsy akory. Na izany aza, dia hifarana izany rehetra izany, indray andro any.
Na dia enina arivo taona taorian'ny nisian'ny fahotana sy ny fahafatesana aza, ahoana no mbola anehoan'ny tany ireo zava-mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra sy ny hery hoenti-mamorona ananany?