"Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany." - Asa. 4:32.
"Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao. Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny." - Isa. 60:1,2.
"Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana." - 1 Kôr. 13:8.
"Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra." Jao. 3:3.
NY FANATREHAN'ANDRIAMANITRA TAO AMIN'NY TABERNAKELY
Vakio ny Eks. 40:1-38. Ahoana no nahafantaran'ny Isiraelita ny fanatrehan’Andriamanitra?
Manoritsoritra ny fanokanana ny tabernakely sy ny fanomezana ny Didy Folo ny toko farany ao amin'ny Eksodosy (Eks. 40). Ny fanokanana ny tabernakely no tranga manan-danja indrindra ho an'ny Isiraely tao Sinay.
Vakio ankapobeny ny Eks. 36:8-39:31. Nahoana, araka ny hevitrao, no nisy toromarika nomena an-Isipiriany toy izany? Inona no ambaran'Izany amintsika momba ny lanja omen' Andriamanitra ny tsipirian-javatra tsirairay?
Tamim-pitandremana no nanamboaran'i Mosesy ny tabernakely, ary narahiny tamim-pikaliana fatratra ireo toromarika nomena azy teny an-tendrombohitra Sinay. Mitanisa ireto manaraka ireto ny Soratra Masina: