"Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an 'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan 'Andriamanitra?"– Sal. 42:1, 2.
"Ny fihavin 'ilehiny dia araka ny fiasanˋi Satana amin 'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin 'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy."- 2 Tes. 2:9,10.
"Amin 'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin 'izao tontolo izao." – Isa. 26:9.
"Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin 'izany ho amin'ny famonjena, raha tahiny nanandrana hianareo fa tsara ny Tompo. "'- I Pet. 2:2,3.
"Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindra fo, manetre tena, tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana."- 1 Pet. 3:8,9.
"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an 'izay mangataka aminy?" – Mat. 7:11.
"Tsara ny hidera an Jehovah sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra o, ary hanambara ny famindramponao nony maraina sy ny fahamarinanao nony alina. "- Sal. 92:1,2.