"Toy ny tamin'ny andron'ny apostoly, ireo mpampianatra sandoka dia niezaka handevona ny finoana ny Soratra Masina tamin'ny lovan-tsofina sy ny filozofia, dia toy izany koa ankehitriny, miezaka izy irony mba hialantsika amin'ny Baiboly amin'ny alalan'ny ataony hoe: 'fitsikerana ambony', sy ny fampianarana momba ny evolisiona, ny fiantsoam-panahy, ny fampianarana mihambo ho mandray aingam-panahy avy any an-koatra, ny fampianarana izay milaza fa andriamanitra koa ny zava-boary sy ny olona - izany dia fanoherana ny fahamarinana, atao hahavery ny fanahy.