Miresaka betsaka momba ny fifandraisana i Jesôsy ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra — ny fifandraisana Aminy sy ny fifandraisantsika samy isika. Lalina tokoa ny hevitra fonosin'ny tapany faramparany amin'ny hafatra nambarany: "Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra." - Mat. 7:21.