"Ary Jehôvah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy." - Gen. 2:18.
Mofon’aina:
Hitako matetika ireto teny ireto: «Miankina amin'ny vintana ny fanambadiana.» Toa mino izany fanambarana izany ny olona sasany, ary vavolombelona maneho izany ny fiainan-tokantranony. Tsy miankina amin'ny vintana velively anefa ny tena fanambadiana marina. Naorina tany Edena ny fanambadiana.