Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fatoran'ny fanambadiana.

Daty
Alarobia 15 July 2026

 "Ary Jehôvah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy." - Gen. 2:18.

Mofon’aina:
Hitako matetika ireto teny ireto: «Miankina amin'ny vintana ny fanambadiana.» Toa mino izany fanambarana izany ny olona sasany, ary vavolombelona maneho izany ny fiainan-tokantranony. Tsy miankina amin'ny vintana velively anefa ny tena fanambadiana marina. Naorina tany Edena ny fanambadiana.

Taorian'ny namoronana an'i Adama, dia hoy ny Tompo: «Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. » Ireo anjelin'Andriamanitra no vavolombelona rehefa natolotry ny Tompo an'i Adama i Eva. Vitsy ihany ny mpivady no tena tafaray rehefa tanteraka ny lanonam-panambadiana. Tsy mampiray azy ho nofo iray vetivety foana eo ny voady nifanaovany. Any amin'ny fiainany ho avy no tsy maintsy mitranga ny fifamatoran'izy roa ao anatin'ny fiainam-panambadiana. Mety ho tonga fahasambarana tokoa io firaisana io, raha tena mifanome fitiavana avy amin'ny fo marina ny andaniny sy ny ankilany.

Ny fahelan'ny fotoana anefa dia manaisotra ilay nofinofy mamy noeritreretina momba ny fanambadiana, ary avy eo misy soso-kevitr'i Satana tonga ao an-tsaina manao hoe: «Tsy tena mifankatia araka ny fiheverantsika azy akory isika.» Roahy hiala ao an-tsaina izany. (...)

Aoka ny tsirairay hanadino ny tenany; aza manaiky hanome fahafaham-po an'i Satana amin'ny fandraisanareo ny heviny. Hataony izay hahatonga anareo hifampiahiahy, hifampialona amin' izao zava-bitika rehetra izao, mba hahitany hirika handravana ny fifankatiavanareo. (...) Rehefa tsapanareo manjavona Hay nofinofy mamy tany am-boalohany, dia aoka ny tsirairay handinika - tsy amin'ny fientanam-po - ny fomba hahafahany manatsara ny fiainam-panambadiany ho araka izay tian'Andriamanitra.

Fanomezan-tsarobidy avy amin' Andriamanitra ny fiainana, ary tsy tokony holaniana foana amin'ny fanao feno fitiavan-tena sy nenina, na amin'ny fanehoana fangatsiahana sy fankahalana. Aoka ny mpivady hifampiresaka momba ny zavatra rehetra. Aoka hohavaoziny ny fifanehoam-pitiavany tany am-boalohany; aoka hifanaiky heloka, nefa mitandrema tsara mba tsy ny fahadisoan'ny vadiny no hotanisain'ny vavy na ny lahy. Mivonòna hanao izay rehetra azonao atao ho an'ny vadinao, dia ho tonga fatorana mahafinaritra indrindra ny fatoran'ny fanambadiana. Mety haneho ny fiainan-danitra tokoa ny tokantranonareo. – L, 10, 1894. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal