Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Torohevitra ho an'ny mpivady

Daty
Alakamisy 16 July 2026

"Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo." - Gen. 2:24.

Mofon’aina:
Ry zanako, efa nifanaiky ianareo; atolory an'Andriamanitra manontolo sy tsy misy fepetra ny fonareo mitambatra. Aoka ianareo hifanandratra ao anatin'ny fiainam-panambadiana. Aza mitotongana ho amin'ny fiteny na fihetsika feno fahambaniana. Asehoy— ireo foto-kevitra masin'ny finoanareo ambony sy mendrika eo amin'ny resaka ifanaovanareo andavanandro, na eo amin'ny fifandraisanareo miafina indrindra aza. Aoka hifampitsinjo sy hifampihevitra mandrakariva. Aza avela hanisy elanelana eo  aminareo, na dia indray mandeha monja aza, ny esoeso na ny vazivazy zary tenany feno fitsikerana. Mampidi-doza ireny zavatra ireny ary mandratra. Azo afenina ny ratra kanefa eo tokoa izany; manjary rava ny fiadanana, ary ny fahasambarana tandindomin-doza. (...)

Anaka, mitandrema andrao mampiseho toetra mitady hanjakazaka na manao didiko fe lehibe. Aleo mandinika tsara alohan'ny hitenenana. Ho mora kokoa mantsy ny manitsy na mamafa ny vokatry ny teny efa voalaza amin'izany. (...) Mitenena amim-pahalemem-panahy hatrany; aoka tsy handrenesana fahasosorana ny feonao.

Fehezo na dia ny lantom-peonao aza. (...) Ataovy toy ny asa anirahana anao ny mampiely tara-pahazavana, fa aza asiana rahona manaloka mihitsy ao aorianao. Ho tonga izay rehetra irinao i Emma raha mitandrina ianao ka tsy manome alahelo na fahorian-tsaina azy, ka mahatonga azy hisalasala ny amin'ny fitiavanao. Ianareo ihany no mahay mampisy fahasambarana na tsia ao an-tokantranonareo. Azonareo atao ny ho tonga mahatoky, mendrika, ambony, ary manamora ny fiainan'ny ankilany, amin'ny fanarahanareo ny Tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainanareo. (...)

Mifandefera. Edson, tsy voatery hekena ny hevitrao indraindray. Aza miziriziry, na dia toa marina eo imasonao aza ny ataonao. Aoka ianao hahay handefitra, hanam-paharetana, ho be fitiavana, ho tsara fanahy sy miantra, hahalala fomba; tohizo mandrakariva ny fifanehoam-pitiavana madinidinika eo amin'ny fiainana (...). Ary ny fitahiana tsara indrindra avy any an-danitra anie ho aminareo roa, ry zanako malala, izany no vavaky ny reninareo. — L, 24, 1870.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal