Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.

Daty
Talata 01 September 2026

Vakio ny 2 Kor. 5:11-15. Ahoana no anehoan'ireo andalan-teny ireo fa mifantoka amin'iKristy ny fanompoan'i Paoly?

Fantatr'i Paoly fa tsy maintsy ampamoahana momba ny fanompoany eo anatrehan'i Kristy izy (2 Kor. 5:10). Fantany koa ny "fahatahorana ny Tompo", ka izany no nanosika azy handresy lahatra ny olona ny amin'ny filazantsaran'i Kristy (2 Kor. 5:11). Fanajana lehibe an'i Kristy izany fahatahorana izany ary fitokiana amin'ny fitiavan'i Kristy azy. Tao amin'ny TT, ny fahatahorana an'i Jehovah dia midika ho fanarahana ny Sitrapony sy fitiavana Azy ary fanompoana Azy amin'ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika (Deo. 10:12).

Tsy nifantoka tamin'ny tenan'i Paoly ny asa fanompoana nataony fa nifantoka tamin'i Kristy. Tsy nitady hanandran-tena izy, fa i Kristy no nireharehany (2 Kor. 12:9). Hoy izy: "Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika."- Gal. 6:14. Noho izany, ny fahafahan'ny Korintianina mirehareha momba an'i Paoly (2 Kor. 5:12) dia midika ho fireharehan'izy ireo ny amin'ny fanompoany mifantoka amin'i Kristy, fa tsy tahaka ny fanompoana mifantoka amin'ny tena izay nataon'ireo mpanohitra azy.

Vakio ny 2 Kor. 5:16-21 sy ny Kol. 1:19-23 ary ny Efes. 2:13-16. Inona no tlan'i Paoly hambara amin'ny hoe "fanompoana fampihavanana"?

I Kristy no mpampihavana lehibe sy tsara indrindra. Izy no "nanome anay ny fanompoana fampihavanana"- 2 Kor. 5:18. Miverimberina ao amin'ny 2 Kor. 5:16-21 ny momba ny fampihavanana. Zava-manan-danja izany ho an'i Paoly, ka manan-danja amintsika koa.

Nampihavana ny taranak'olombelona amin'ny Tenany Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny fahafatesan'ny Zanany ho fanavotana antsika. Tonga olom-baovao ireo izay nampihavanina tamin'Andriamanitra (2 Kor. 5:17). Ary ankehitriny izy ireo dia tokony hampita ny "teny fampihavanana" amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsaran'i Kristy (2 Kor. 5:19). Amin'izany, dia "iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo."- 2 Kor. 5:20.

Eritrereto izay nataon'i Kristy ho anao. Saintsaino ny heloka sy ny fahotana ary ny fanamelohana izay ho anjaranao raha tsy noho izay nataony ho anao teo amin'ny hazo fijallana. Ahoana no tokony ho fiantralkan'izany eo amin'ny fomba ifandralsanao amin'ny hafa, indrindra amin'Ireo izay tsy mahalala ny Tompo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal