Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ADIDY ATAO ETO AN-TANY SY NY VOKANY ANY AN-DANITRA

Daty
Alarobia 28 August 2024

Vakio ny Mar. 12:13-27. Inona no niseho teto, ary inona ny fahamarinana nampianarin'i Jesôsy?

Nitady izay hahazoana an'i Jesôsy amin-javatra iray azony hiampangana Azy, eo anatrehan'ny governora rômanina na eo anatrehan'ny vahoaka, ireo mpitondra fivavahana. Mahakasika ny fandoavan-ketra ny adihevitr'izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity. Tamin'izany andro izany sy tao amin'io faritra io, dia azo noheverina ho fikomiana amin'ny fitondram-panjakana rômanina ny fandavana tsy handoa hetra; heloka lehibe tokoa izany.

Niaro an'i Jesôsy tsy ho tratry ny fandrika ny valinteniny mikasika ny hanomezana an'i Kaisara izay azy sy ny hanomezana an'Andriamanitra izay Azy. Nitory fampianarana lalina momba ny andraikitry ny mpino manoloana ny fitondram-panjakana koa anefa izany. "Nambarany fa satria velona teo ambanin'ny fiarovan'ny fahefana Romana izy, dia tokony hamerina amin'izany fahefana izany ny fanohanana takiny, raha mbola tsy mifanohitra amin'ny adidy ambony kokoa izany. Nefa na dia olom-pehezin'ny laiàn'ny tany misy azy aza izy, ary milady filaminana, dia ny fanompoana an'Andriamanitra no tokony hotolorany mandrakariva ny haja voalohany indrindra." - IFM, t. 642.

Ny fanontaniana momba ny fitsanganana amin'ny maty no manaraka izany. Antokona mpisorona izay tsy nandray ho Soratra Masina afa-tsy ireo boky dimy nosoratan'i Mosesy ny Sadoseo; tsy nino ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo. Azo heverina fa toe-javatra tsy tena nitranga akory ny tantara nolazainy tamin'i Jesôsy. Tantarana mpirahalahy miisa fito sy vehivavy anankiray izany. Araka ny lalan'i Mosesy, mba hihazonana ny fananana ho eo anivon'ny fianakaviana ihany, rehefa misy lehilahy iray maty kanefa tsy nanan-janaka Iahy dia hampakatra ny vadiny mpitondratena ny rahalahiny ary ny zanaka rehetra izay azo avy amin'izany fatoram-panambadiana izany dia zanak'iiay Iehilahy maty araka ny Ialàna (Deo. 25:5-10).

Nitady izay hampihem-bidy ny fampianarana mikasika ny fitsanganana amin'ny maty ny Sadoseo ka niresaka ny amin'ny safidy ara-môraly mahasanganehana momba izay ho vadin'ilay vehivavy amin'ny fitsanganana amin'ny maty. Notoherin'i Jesôsy tamin'ny valinteny roa miantoana ny tohan-kevitr'izy ireo, ka noresahiny ny momba ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra. Voalohany dia nolazalazainy ny momba ny fahefana ananan'Andriamanitra amin'ny fitsanganana amin'ny maty ary nambarany fa tsy hisy hampaka-bady any an-danitra. Rehefa izay dia naveriny izay voalaza ao amin'ny Eks. 3:1-22 ho fiarovana ny foto-pampianarana mikasika ny fitsanganana amin'ny maty, andalan-teny izay anambaran'Andriamanitra fa Izy no Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba. Nambaran'i Jesôsy ankolaka ny hevitr'izany: hitsangana amin'ny maty ireo, satria tsy afaka ny hijanona ao amin'ny fahafatesana izy ireo raha toa Andriamanitra ka Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba, izay maty amin'izao fotoana izao.

Raha misy olona manontany anao hoe: "Fantatrao ve ny fahefan'Andriamanitra?", dia inona no havalinao azy? Nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal