Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ADY TANY AN-DANITRA

Daty
Alahady 31 March 2024

Vakio ny Apôk. 12:7-9. Inona no ambaran'io andininy io ny amin’ny fahafahana misy any an-danitra sy ny fiandohan’ny ratsy? Reheta nikomy i Losifera dia fomba ahoana no azon'Andriamanitra namaliana izany?

Ireo andininy ireo dia manoritsoritra ny ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. Niady tamin’i Kristy i Satana sy ny anjeliny ka noroahina tsy ho any an-danitra nony farany. Toa hafahafa tokoa ny hoe any amin’ny toerana tonga lafatra toy ny lanitra no ipoahan’ny ady. Nahoana no niseho izany? Namorona anjely ratsy izay nanomboka io ady io ve llay Andriamanitra fitiavana? Nanana kilema mahafaty izay nandrisika azy hikomy ve io anjely io? Manazava tsara ny niandohan’ny ratsy ny Baiboly. Manala sarona ny zava-misy ao amin'ilay ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy izany.

Ampitahao ny Ezek. 28:12-15 sy ny Isa. 14:12-14. Inona no nitranga tao an-tsain’io anjely nantsoina hoe Losifera io ka nahatonga azy hikomy?

Tsy namorona devoly Andriamanitra. Namorona voary feno famirapiratana manjelanjelatra antsoina hoe Losifera Izy. Tonga lafatra ny namoronana io anjely io. Tao anatin’izany fahatanterahany izany ny fananany fahafaha-misafidy fitsipika fototry ny fitondran'Andriamanitra izay mandeha araka ny fitiavana fa tsy amin’ny fanerena. Tao amin'i Losifera, tany an-danitra, no niandohan’ny ota. Tsy misy fanazavana araka ny lôjika ny amin’ny namelan’io anjely tonga lafatra io ny avonavona sy ny fialonana hamaka tao am-pony ka ho tonga fikomiana amin’ny Mpahary azy.

Nirin’i Losifera ho an’ny tenany, izay voary noforonina, ny fiankohofana izay an’ny Mpamorona irery ihany. Niezaka ny handrombaka ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy tamin'ny fisalasalany ny amin’ny fahefan’ Andriamanitra. Nahatonga ady tany an-danitra ny fikomiany.

Na dia nandefitra ela tamin’i Losifera aza Andriamanitra dia tsy afaka namela azy hanimba ny lanitra amin’ny alalan'ny fikomiana nataony. “Nitalaho tamin’i Losifera ny filan-kevitry ny lanitra. Nasehon’ny Zanak’Andriamanitra azy ny fahalehibeazan’ny Mpamorona, ny fahatsarany, sy ny fahamarinany, ary koa ny fahamasinan’ny laiàny sy ny tsy fiovany. Andriamanitra mihitsy no efa nampitoetra ny filaminan’ny lanitra; ary raha miala amin’izany i Losifera dia hanala baraka ny Mpanao azy sy hahatonga fandringanana ho an’ny tenany Ny fampitandremana nomena tamim-pitiavana sy ny famindrampo tsy hita tany anefa dia mainka nampirongatra toe-tsaina fanoherana.’ – HM, t. 511.

Inona ny lesona azonao tsoahina avy amin’ny toetran'Andriamanltra amin’ny fomba fitondrany ny ratsy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal