Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

APOKALIPSY: NY ASAN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY ANDRO FARANY

Daty
Alahady 24 December 2023

Ireo andalana voalohany ao amin'ny Apokalipsy dia maneho amin'ny mpamaky fa mifantoka amin'ny asan'Andriamanitra io boky io.

Vakio ny Apôk. 1:1-7. Amin'ny fomba ahoana no ahitanao mazava fa ny Apokalipsy dia mifototra amin'ny asan'Andriamanitra amin' ny andro farany?

Aorian'ny fanambarana ao amin'ireo andininy voalohany fa avy amin'i Jesosy ny Apokalipsy ary Izy no ivony, ny Apôk. 1:4,5 dia maneho an' Andriamanitra Telo Izay Iray, miara-miasa ho famonjena ny olombelona. Andriamanitra Ray no llay mandrakizay, ankehitriny sy taloha ary ho avy. Voatonona koa ny Fanahy Masina izay niasa tamin-kery tamin'ireo fiangonan'ny taonjato voalohany. Manaraka izany dia ampahatsiahivin'i Jaona ny toerana misy an'i Jesôsy Kristy, ilay "vavolombelona marina", "Lahimatoa amin 'ny maty"-Apôk. 1:5, izay Tompon❞ity tany ity ara-dalana. Rava ny fikasan'i Satana hampiasa ity tany ity hanorenana ny fanjakany. Ankoatra ny fandresen' Andriamanitra an'i Satana, ny ra nalatsak'ilay Mpahary antsika dia manadio antsika ho afaka amin'ny fahamelohana sy ny henatra.

Vakio ny Apôk. 1:6 sy ny 1 Pet. 2:9. Inona ny hevitr'ireo anarana lantsoana ny voavonjy ao amin'ireo Mandininy ireo?

Ny tanjon'ny asan'Andriamanitra dia tsy ny hitondra fotsiny ireo olona an-dalam- pahaverezana ho eo amin'ny toerana azo antoka. Toloran'Andriamanitra toerana vaovao sy mendri-kaja isika satria tafaverina ao amintsika ny endrik Andriamanitra. Manjary fanjakana (mpanjaka) ireo voavonjy satria nampirasin'ny ra nalatsak'i Jesosy amin'llay Mpanjakan'izao tontolo rehetra izao. Ankehitriny, amin'ny maha- mambran'ny ankohonan'ny mpanjaka antsika dia miara-mirotsaka amin'izany ankohonana izany isika ho amin'ny asa famonjena ny olombelona hafa. Izany no mahatonga antsika ho mpisorona! Manjary mpisorona isika! Nanao ny Fiangonany ho "fanjakana" i Kristy, ary ireo mambra tsirairay ao aminy ho "mpisorona". Ny maha- mambran'ny fanjakan' Andriamanitra dia ny maha-mpisorona.

Hitantsika amin'ny Apôk. 1:7 ao fa maika ilay asa: ho avy i Jesôsy ary hitomany Azy ny firenena maro satria very izy ireo. Irin'Andriamanitra fatratra ho eo Aminy ireo izay lavitra Azy. Koa manomboka amin'ny asan'Andriamanitra ho an'ny taranak'olombelona ny bokin'ny Apokalipsy.

Tsy vitan'ny noharian'Andriamanitra fotsiny isika fa navotany koa, ary tamin'ny vidiny lafo indrindra. Nahoana no tokony hanome antsika fanantenana lehibe izany fahamarinana izany, na manao ahoana na ahoana ny toerana misy antsika ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal